mar.
17
août
2010
Tsy hiandrasana fankatoavana avy any ivelany, fa tonga dia vavany. Ny fametrahana izay ho Praiministra ho lehiben’ny Governemanta izao no mafotaka, ary tsy mbola voafaritra izay ho isan’ny ministera hivoaka eo. Taorian’ilay dinika niafara tamin’ny sonian’ny mpanao politika maro teny Ivato, dia hifantohan’ny saina ny tsy maintsy hanomezana anjara toerana ireo antoko voafatotry ny sonia nataony teny. Efa heno nandritra ny famaranana ilay dinika ny zoma teo, fa tsy hiantehitra amin’izay mety ho fanapahan-kevitry ny sehatra iraisam-pirenena intsony ity tetezamita hifampizarana ity, fa avy hatrany dia ny fametrahana ireo rantsamangaika no hatao.......
Na ny vola ho entimihetsika aza, dia hisy mirakla hafa kely ahafahan-dry zareo mampihodina io tetezamita io. Ny ho isan’ny olona isaky ny antoko handrafitra ny andrimpanjakana samihafa, tsy mbola fantatra, fa azo antoka kosa ny tombontsoa sesehena ho tambin’ilay sonia natao. Izay tokoa no hitolomana, mba hahazo izay anjara mofo mamy izay. Mihevitra ireo mpitondra ankehitriny, fa iny sonia iny no lalana hivoahana amin’ny krizy samihafa. Ny tsara ho fantatry ny rehetra, dia matoa niafara tamin’ny fifanarahan’ny samy mpanao politika toy iny ny raharaha, dia tsy naha-tafavoaka baolina ny FAT ankehitriny. Ny lafiny ara-bola sy ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam- pirenena, izay ilàna fankatoavana ho an’ity tetezamita ity, dia mbola antony nanosika ny mpitondra ankehitriny nanao iny dinika iny. Raha tsy nisy ny olana nosedrainy, dia efa nitondra ny baolina samirery toy ny fanaony ny FAT. Hivoaka ihany koa ny fanapahan-kevitry ny SADC ny 18 Aogositra izao, momba ny diany farany teto Madagasikara, ary mbola isan’ny antony nampihazakazaka ilay fanaovan-tsonia teny Ivato io. Nanaitra ny mpitazana ihany anefa, ny teny an’avona ny tsy hilàna ireny sehatra iraisampirenena ireny nandritra ilay famaranana ny dinika. Raha tsy misy ilàna ireo, naninona no tsy nentina samirery ny fitondrana, fa nifampizaràna tamin’ny antoko hafa ? Mahamenatra, satria tsy mety miaiky mihitsy izao fitondrana izao, fa nampivarina ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena tany anaty hantsana, izay fandrombaham-pahefana nisy teto nandritra ny taona 2009 iny. Ny sonia no vita, fa mbola hafotaka ny fizarana seza ho an’ireo nanaiky nanao sonia. Ny fanarenana ny fiainam-bahoaka etsy ankilany, mbola sarotra. Sa izay hifikirana ela eo amin’ny fitondrana aloha no maika, fa ny sisa manaraka ihany ? Vainafo zanany