mar.
17
août
2010
Lasan’ny mpijapy masinina ny sehatra. Feno ireny andian’olona tsy mba hita taratra firy nandritra ny hetsibahoaka teto amin’ny firenena, ny sehatra maro samy hafa ao anatin’izao tetezamita izao. Isan’io ny toeran’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta. Raha tsy misy fiovàna indray ilay dinika niarahan’ny mpanao politika voady, ary nifamatorana tamin’ny alalan’ny sonia ny zoma teo, dia hiova tsy ho ela ny Governemanta izay misy an’ingahy Vital ankehitriny. Governemanta izay nahitana anarana maro sy fiovana matetika tao anatin’izay 19 volana izay. Efa heno nitondra izany andrimpanjakana izany ireto anarana ireto, Praiministra Monja Roindefo, izay isan’ny nahafoy tena teny an-kianja, ary angady nananana sy vy nahitana izao tetezamita izao, saingy indrisy, fa natosi-bohon-tanana rehefa azo ny fanjakana.......
Teo ihany koa ramatoa Manorohanta Cécile, izay nomena io andraikitra io vonjimaika, rehefa nafana ny resaka Maputo sy Addis Abeba. Novàna an’ingahy Mangalaza Eugène io rehefa nihevitra ny mpitondra FAT fa hahomby ilay fifanarahana natao tany ivelany. Tsy nalazo ny ravina nihinanana, dia nongotana manta io Praiministra io, ary nosoloina an’i Praiministra Vital Camille, ary dia azo antoka fa hiova tsy ho ela ihany koa ity farany ity. Ny zava-bita teo amin’ireo nitazona io toerana io anefa, dia ingahy Monja Roindefo, no tena be mpahatsiaro. Noho ny fanaovany sorona ny ainy, nampiakatra ity fitondrana ity tamin’ny toerany, ka nahitana ireny rà mandriaka nandritra ny 7 febroary 2009 teny Ambohitsorohitra ireny no antony. Ireo rehetra nitazona ny anarana Praiministra kosa anefa, dia samy tsy nahazo fankatoavana tany ivelany, afa-tsy ingahy Mangalaza irery, satria io no PM nivoaka tamin’ny marimaritra iraisana. Dia iza indray no manaraka ? Ny anarana foana no miova, fa ny firenena, mbola izao hiarahana mahita izao. Sa ity no tonga amin’ilay fiteny mahazatra hoe tsapatsapa vodin’akoho, ka rehefa tsy t… ve tsy ho atody. Vainafo zanany