mar.

17

août

2010

Famadihana: « Fomba tsy maintsy atao na mandany vola aza »

Manana ny hasiny sy ny hajany ny razana ho an’ny Malagasy. Misy fomba iray fampisehoana izany mivantana, fanaon’ny mponina afovoan- tany, manomboka ny volana jona ka hatramin’ny faran’ny volana septambra, dia ny Famadihana izany. Ao anatin’ny vanim-potoany tsara isika amin’izao volana aogositra izao. Isaky ny dimy taona farafahakeliny no hanaovana ny Famadihana. Sokafana ny fasana, amoahana ireo razana milevina ao. Fonosina tsihy vaovao ny razana mivoaka. Entin’ny fianakaviana ampandihizina ilay razana. Apetraka amin’ny tany indray rehefa avy eo didinin’ny fianakaviany akaiky......

Misy ireo manitrika zavatra kely anaty lambamena vaovao hamonosana ilay razana, fanomezana atolotry ny velona ho an’ny maty. Mifangaro eo avokoa ny hehy, ny tomany, ny horakoraka, ny alahelo ... Mangataka torohevitra sy tso-drano amin’ny razana ny velona. Rehefa vita izany dia lanjaina amin’izay ny razana, entina mihodidina im-pito amin’ny fasana vao averina asitrika ao am-pasana indray, miandry ny dimy taona manaraka. Anaovana fety makotroka ny Famadihana. Akana mpitsoka mozika sy mpanao hira gasy. Amonoana omby sy kisoa ary anaovana sakafo be hanasana olona marobe. Matetika dia misy milaza ao amin’ny fianakaviana hoe nisehoan’ny razana, izay manafatra aminy fa hoe mangatsiaka tokony hofonosindamba. Dia tapaka eo ny fotoana hanaovana ny Famadihana, araka izay andro sy ora amaritan’ny Mpanandro azy eo. Mandany volabe, araka izany, ny Famadihana. Telo andro eo no hiaraha-mifaly sy mikorana ary misakafo anaty lanonambe, amin’ny fianakaviana sy ny namana ary ny mpiara-monina. Manambatra vola hanomanana ny hoenti-manana ny mpianakavy rehefa hanao Famadihana. Misy mivarotra fananana mihitsy aza, hanefana ny adidiny eo amin’ny fandraisana anjara. Kolontsaina malagasy mirakitra hevi-dalina ho an’ny mpandala azy ny Famadihana. “Tsy maintsy atao na mandany vola aza”, hoy ny sasany. Mety tsy voatery hitovy avokoa anefa ny fomba fijery anaty fiarahamonina, araka ireto angon-kevitra nataonay ireto. Harimbola M.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra