lun.
16
août
2010
Mitsiriritra ery mahita ireto “otomobilina amin’ny faran’ny herinandro! Manaloka ny tambanivohitra” hoy Lolo sy ny tariny zay. Ary dia marika avo lenta avokoa! Marina ry Bebert tsy lafo be ireny? Sady mba rahoviana no hitaingina an’ireny? Fa ny trangantsika androany tsy ho lafo be toy ireny ka. Malaza mahay asa tanana ny Malagasy, ary tsy very mihitsy ny zavatra rehetra tonga eo am-pelatanany. Anisan’izany ny asa tanana vita amin’ny kodiarana fiara (Pneu). Ka na fiara tsara be manjelanjelatra, na efa kadroaka, refa azon’ny Malagasy ny pneu ny dia samy mitaingina azy daholo e! Vokatra roa no ho hitantsika ato dia ny silent bloc sy ny kapa pneu. Ny pneu –na engin hono zany no mety ahodina ho silent bloc, maharitra tokoa io pièce io ary tsy mena mitaha amin’ny vita “norme” vazaha. Be dia be ny olona mivelona amin’io asa io. Raha mahatsikaritra isika dia eny amin’ny route digue na eny Andavamamba no tena misy azy. Ary efa misy ny milina manokana ampiasain-dry zareo. Raha ny kapa pneu indray dia efa ela no nahitana azy eny an-tsena, fa ny tsy fantatsika angamba dia hoe ny pneu nylon ihany (izany hoe pneu na super hatramin’ny camion) no mety hanaovana kapa. Mafy ary tsy mataho-dalana toy ny fiara 4X4 ireny kapa ireny. Hany ka na vazaha mandalo mitsidika eto Madagasikara aza dia misy ny mividy. Sady tsy dia lafo izy ity satria eo anelanelan’ny 1500 Ariary sy 3000 Ariary. Hitanareo amin’izao fa tsy misy very mihitsy ny akora ampiasaina fa misy azo atao aminy foana. Tsy ratsy ny vita gasy e.
Mamazily- Bebert
mahay ny gasy ka!
fa lé toetsaina anie ndraindray no mampalahelo e!
Sady bé imagination
tena mahay ary mila ampiana mihints izy ireo fa tsy ny ambony foana no tovonana
io toe-tsaina io mihitsy no tokony hatsaraina sy amboarina satria iankinan'ny zavatra rehetra (ohatra: tsy mahay mifanampy, mifampialona, sns...)
inokoa faraha tanindrana zaho gne mividy eo de nimitetika hamitapitaka fona reo , tsiomena tsiny e fa mampalahelo i taninarivo velona hotrahotrn izay satria goudron taniketsa fitapitaka sisa azo atao fa nalain i dadajareo gne sakafo tao netiny any o o zanandrajana o o 80 pour cent fitapitaka o , zaho de any represaten gne mividy fa tsy andavamamba na petite vites na tomadinika
