lun.
16
août
2010
Raha ireny sary hitanao amin’ny filma X ireny no heverinao hampiharina amin’ny fiainanao ara-pananahana dia mihevera tena fa tsy izy izany. Lalam-bola toy ny rehetra ihany ny famokarana filma X fa tsy tena zava-misy. Hevero amin’ireo fanadihadiana ireto fa tontolon’ny fanamboamboarana ny famokarana filma X. Momba ireny kileladelaka ireny ohatra dia variana ery ny mpitazana mijery hoe maka tsirony ery ny vehivavy na ny lehilahy manao azy. Raha tsy ahitanao fahafinaretana ny fanaovana azy eo amin’ny fiainana tena misy dia ajanony fa tsy maninona..............
Karamaina volabe ny vehivavy sy ny lehilahy milalao amin’ny filma X ka tsy maintsy arakarak’izay volabe izay ihany koa ny fomba filalaony asehony amin’ny fihetsiny eo. Hita amin’ny filma X ihany koa fa tsy misy fanaovana dingana voalohany izany loatra ny firaisana ara-nofo. Avy hatrany dia kapo-batana. Mila tambitamby sy safosafo mandritra ny fotoana maharitra anefa ny ankamaroan’ny vehivavy, mialoha ny hidirana amin’ny tena firaisana ara-nofo, na toy inona na toy inona fahaizan’ny lehilahy eo. Momba ny karazana firaisana ara-nofo mamoafady rehetra io moa dia efa misy fomba fanamboarana azy mihitsy hivoahany ho toy ireny hita amin’ny filma X ireny. Maro no mifono herisetra, saingy tsiahivina hatrany fa fitiavana no mibaiko ny fihetsika eo amin’ny firaisana ara-nofon’ny mpivady fa tsy filana fotsiny ihany. Tsy mpilalao filma X velively ny vehivavy. Mbola fanaka malemy mampalemy ihany aloha izy hatreto. Miankina amin’ny fanambatambazana azy bebe kokoa no hahazoana tsirony sy fahafinaretana miaraka aminy. Mba andramo ihany !