lun.

16

août

2010

Gadra politika: Fihavanana sa fifidianana ?

Malaza ratsy amin’ny tsy fahombiazana mihitsy ilay trano goavana fandraisana fivoriana eny Ivato. Tsy nisy hevitra tapaka azo hampiharina avy hatrany, fa mbola ny resabe hitondrana ny tetezamita no nifantohan’ny saina. Ny fidirana ao anaty Governemanta no tena nibahana tao amin’ny maro e, na dia natao ihany aza ny f iki r izana hametraka ny datim-pifidianana isan-karazany. Ny tena nampalahelo, dia ny tsy fisian’ny resaka amin’ny famoahana ireo gadra politika. Ekena fa mety any amin’ny fikaonandohampi renena no hanaovana izany, saingy raha tena ao amin’ny rehetra ny finiavana hametraka ny fihavanana sy hialana amin’izao krizy izao, dia avoay aloha ireo mpanao gazety sy mpanao politika migadra nandritra izao krizy izao......

Tsarovy, fa ny mpanao politika fony andron-dRavalomanana anie, ka nisy nanao afera maizina no nanagadrana azy ireny, nefa dia navoaka vao tonga teo amin’ny fahefana ny filoha Rajoelina e. Ny ankehitriny anefa, dia ireny niarahana nahita ireny ny fanehoan-kevitra politika nataon’izy ireo, ary sakaizan’ny fonja hatramin’izao. Raha toa ka tsy azo avoaka ireo olona ireo, inona no tsy hanafainganana ny fitsarana izay voatazona any amponja ? Mba maika hiady hevitra amin’ny raharahampirenena izy ireo, ary mety ahazoan-tsika fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny fanaovana izany. Ny fihavanana ho vita, ary ny fitondrana tsy ho voakilasy ho mpanao jadona. Ireo no maika alohan’ny fikaonandohampirenena sy ny fifidianana kasaina atao atsy ho atsy.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Dénise Rabe (lundi, 16 août 2010 09:22)

    Amin'ny gadra politika aloha dia tsara ny manavaka ireo gadra politika 2002 sy 2009 e! Ireo 2002 dia efa mba nanefa ny saziny izy ireo, fa ireo 2009 kosa dia tsy maintsy am-pibabena azy ireo ny ratsy vitany!

  • #2

    gasin'Iarivo (lundi, 16 août 2010 12:54)

    mba tanisao kely aloha ny ratsy vintan'izy ireo, fa aza faly amin'ny figadran'ny sasany fotsiny ry Dénise Rabe a, fanehoankevitra izay tsy zakany fat no niampangana azy ireo.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra