lun.

16

août

2010

Fanatanjahan-tena malagasy: Ilaina fiovana goavana

Hita sy tsapa nandritra ireny lalao tany ivelany toy ny lalaon’ny nosy ho an’ny tanora latsaky ny 17 taona taty amin’ny faritry ny oseana Indiana farany teo izay natao tany La Réunion, fa mahay sy manan-talenta ny tanora mlagasy eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena ary hita fa manana ny ho aviny mamiratra tokoa. Na ny mpilalao izany na koa ireo mpiandraikitra sy ny mpanomana ny lafiny ara tekinika sy moraly dia samy nampiseho ny fahaizany daholo. Rariny sy hitsiny raha voalohany isika mitaha amin’ireo nosy rahavavy ireo satria raha ny halehiben’ny nosintsika sy ny isan’ny mponina dia manantombo lavitra isika Malagasy.......

nosy La Réunion anefa dia misikiponitra sy miezaka ny mioitra mafy tokoa amin’ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao aminy, mba hahafahany mamiratra kokoa. Porofo mitohoka amin’ny tendany ny fahitana ny toeram-pilalaovana maro toy kianja filalaovam-baolina sy kianja mitafo manarapenitra isaky ny distrika any aminy raha tsy hiteny afa tsy ny ao Chaudron isika dia efa manana kianja manara-penitra tsy latsaky ny efatra rizareo ao, hita ao avokoa ny zavatra rehetra ilaina amin’ny fanazaran- tena ary maimaim-poana ny fampiasana ireo kianja ireo. Rariny sy hitsiny ary raha manana herijika sy traikefa ambony rizareo avy any La Réunion satria manana ny toerany ny tanora sy ny fanatanjahan- tena sady omen’ireo mpitodra ny hajany ny atleta rehetra fa tsy atao ankilabao. Tsy ambakan’izany koa ny mpanazatra sy ny mpiandraikitra. Ny rafi-pitantanana sy ny politika entina sy ampiasaina ampandrosoana ny fanatanjahan- tena koa dia tena mirindra araky ny tokony ho izy fa tsy misy fijerena tavan’olona. Koa eto izahay dia manaitra ny mpitondra sy ny mpiandraikitra mahefa eto amintsika mba hijery akaiky ny fomba fitantanan’ireo mpiandraikitra isan’ambarantongany mba hahafahana manatsara bebe kokoa ny ezaka efa tsara sy mendrika hotohizana izay efa nisy ka mba ho azontsika hatramin’ny farany ny laharana voalohany eto min’ny faritry ny oseana Indiana amin’ny resaka fanatanjahan-tena. Ny vokatra tonga lafatra eo amin’ny spaoro dia miankina betsaka amin’ny rafim-pitondrana ataon’ireo mpikambana ao amin’ny federasiona isan’isany, avy eo miankina amin’ny fanomanana maty paika sy fananana fitaovana sy kianja manara-penitra fa tsy mila maika sy tefena maika toy ny voalobo-jaza, ka avy eo ny fifanomezan-tsiny sy fanaratsiana no betsaka. Ary ny tena zava-dehibe dia ny fiarahamientana ho an’ny rehetra hanatsarana azy ity fa tsy ho an’ny vitsy an’isa.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    kia (lundi, 16 août 2010 09:54)

    Efa ela no tokony ho tsapantsika izany resaka izany , tena tokony hiova tanteraka ny toe-tsaina hananana sy hitondrana izany ary tena fijery vaovao ilaina manomboka hatreto.Mametra fanontaniana ny tenany tsirairay avy isika tompon'andraikitra misahana ny firenena sy ny fanatanjahantena ho izaho ity ve tena tia tokoa ny firenenko sy ny fanatanjahantena?
    dia amin'ny manaraka tohizako ny resaka.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra