lun.

16

août

2010

Be tetika ambony latabatra: Sonia aza tsy hay, maika fa fifidianana

Tsy mbola vita indray ilay fifanarahana politika natao teny Ivato e. Inona indray aza no tena sakana tao, fa dia lany andro fotsiny ny rehetra izay nandray anjara teny. Ekena fa nisy ihany ny datim-pifidianana isankarazany nivoaka, fa ny tena fanampahan-kevitra goavana tsy hita veroka. Eo ohatra ny momba ny fandravana ny governemanta mba ahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’io andrim-panjakana io. Ny fikaonadoham-pirenena, izay tsy hita taratra mazava ny olona handray anjara sy ny vola ho entina ampiasaina amin’io. Misy tsy fifankahazoan-kevitra ao, matoa mitarazoka toy izao ny dinika politika. Teboka tokana hialana amin’ny krizy ve dia tsy hita ? Atidihan’olona firy no niketrika tao, saingy ny nanao sonia ho amin’ny marimaritra iraisana ve dia tsy hay ny nanao azy ? Izany ve ny olna mikasa hikarakara fifidianana ? Ny manao sonia anie mora nohon’ny mikarakara fifidianana e.......

Tsy ho gaga isika raha mitarazoka lava izao ny famahana olana eto Madagasikara. Ny vahiny mikasa hanampy atsika avy any ivelany natosibohon- tanana, ary nambara fa vitanay ny mamaha ny olana, saingy asiana Ivato I sy Ivato II ary ho tovanana Iavoloha I sy Iavoloha II toy ny tany Maputo syAddis Abeba ve izy ity ? Ady varotra politika no tena manjaka, ka adino ny tena fitiavan-tanindrazana. Raha samy nanaiky ny fifanarahana teo anatrehan’ny sehatra iraisam- pirenena vita tamin’ny herintaona ireny, moa ve tsy efa mba nisava ny krizy teto hatramin’izay ? Be tetika ambony latabatra isika, fa ny fanatanterahina azy no vitsy. Ny mitabe hono tsy lanin’ny krizy, ary ny tondro tokana tsy mahatondra firenena. Koa inona no tsy hiarahana miasa amin’ny ankolafy hafa, sy ny sehatra iraisam-pirenena, rehefa tsy mahita lalankivoahana amin’izay sonia kasaina atao ?

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Dénise Rabe (lundi, 16 août 2010 09:19)

    Tena tsipaka am-bava-fo ho an-dRavalo mihitsy iny fifanarahana politika teny Ivato iny an! Tena potika tanteraka mihitsy ny ho avy politikan'i leiry!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra