sam.

14

août

2010

Victor Hong Tsy seza no mahamaika

Mafana ny kianja pôlitika ankehitriny. Tsy ireo antoko 80 mahery ihany no milalao fa naneho ny fisiany sy ny mbola hijoroany koa ny ankolafy telo, omaly teny amin’ny Carlton Anosy. Isan’ireo mafana fo ao anatin’izany ankolafy telo izany i Victor Hong, filohan’ny Opacpa. Aminy dia “tsy mpamadika ireny olon’ny aankolafy telo lasa any amin’ny “espace” fa jereo fotsiny ny lasany. Tsy misy ilàna azy ireny olona manao sonia havia sy havanana ireny. Tsy ny seza no mahamaika fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Ny dahalo pôlitika no tena mampihisatra ny fandehan-javatra eto. Notsindriany ihany koa raha ny mikasika ny fifanarahana tany Maputo fa “ireo olona mpanongampanjakana no tsy manaiky ny satan’i Maputo. Aleo ny vahoaka amin’izay ny hitsara ny mpanao pôlitika eto Madagasikara”

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    Dénise Rabe (samedi, 14 août 2010 16:48)

    Fa mba iza lehiretsy itony Victor Hong itony a! Na ny anarany aza tsy anarana malagasy akory!

  • #2

    didie (samedi, 14 août 2010 20:36)

    f'angaha raha tsy manana anarana manomboka @ RA dia tsy gasy aminao?

  • #3

    sareraka (dimanche, 15 août 2010 10:55)

    Marina tokoa ny azy fa tsy ny seza no mahamaika koa???Izy angaha Rajoelina ka hanao atelier mandany vola nefa tsy misy dikany akory ho an'ny Firenena fa efa hita fa fibodoana seza tsotra izao.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra