sam.

14

août

2010

Tetezamita mafy orina: Mitondra ny « Vonjy Aina », Raymond Ranjeva

Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena. Mahatsiaro ny tenany ho manana adidy ny profesora Raymond Ranjeva, hitondrana fanafana amin’izao aretina mahazo an’i Madagasikara izao. Vonona izy amin’ny “Vonjy Aina”, arosony ho an’ny Malagasy sy ho an’ny firenena. “Vonjy Aina”, fandaharan’asa maty paika afaka hampiharina ho filamatra fototra hitantanana ny Tetezamita hosahanina fitondram- panjakana tsy miandany ary mahefa.........

Fepetra hentitra

Fanamby sarotra indrindra eo amin’ny fiainam-pirenena ny Tetezamita, raha ny fanazavan’ity manam-pahaizana nitana andraikitra goavana teo amin’ny sehatra iraisampirenena ity. Mitaky fepetra hentitra ny fahazoana mandray an-tanana izany. Ho azy manokana dia ilaina ny fifampihavanana, izay tokony ho vaindohan-draharahan’ny Tetezamita. Fampihavanana ahazoan’ny tsirairay miantoka ny hisian’ny fihavanana. Santionany amin’ireo fepetra ilaina naroson’ny profesora Raymond Ranjeva ohatra ny fampitoniana ny toe-draharaha politika, ny famerenana ny tany tan-dalàna sy manaja ny zo fototra maha-olona …

Fiainana andavanandro

“Mila atao mazava tsara ny fiadidiana ny fitantanana ny raharaham-panjakana ao anatin’ny Tetezamita”. Tafiditra ao anatin’ny “Vonjy Aina” ho an’ny Malagasy ny tokony hiatrehana ny fiainan’ny olona andavanandro. Tanjona rahateo ny hanentanana ny Malagasy hikatsaka ny fanafana hitsaboana ny firenena sy hametraka ny fanefitra tsy hiverenan’ny toy izao intsony. Ao anatin’izany ny fijerena manokana ny fidiran’ny mpianatra, ny fijerena ny fomba ahazoana mampipaka ny fitsaboana fototra any amin’ny vahoaka, ny fijerena ny lalàna mifehy ny fanjifana hanjakan’ny fifaninanana madio eo amin’ny fandraharahana ireo entana ilain’ny mponina andavanandro… Homena tombondahiny ihany koa ny fomba hoenti-mana-tsara ny sehatry ny fihariana maharitra, ny fanjakana tsara tantana ary ny fikajiana ny tontolo iainana,voafaritra anaty programa maty paika.

Hitera-boka-tsoa

Governemanta tokampo no vahaolana arosondRaymond Ranjeva ho afaka mandray an-tanana ireo. Fitondrana manao izay ahombiazan’ny firenena. Fitondrana matanjaka nefa tsy mampiasa herisetra amin’ny tsy rariny. Heverina hatao fomba fiasa ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana ahitam-bokatsoa. Navoitrany ihany koa fa tsy fanafana mahasitrana velively ny fifidianana maimaika. Tsy lany olona avara-pianarana i Madagasikara, izay efa nitondra ny fahaiza-manaony namahana olana tamina sehatra iraisam-pirenena maro. Dia ho atao anjorom-bala hatrany ve izy ireny nefa ny hikatsahana vahaolana hiadanan’ny valala tsy mandady harona no tanjona ? Harimbola M.

écrire commentaire

Commentaires: 7

  • #1

    Radison (samedi, 14 août 2010 15:03)

    Manohana ny tsara sitrapo toa azy ny Malagasy indrindra ireo tsy afa-miserasera eto noho ny antony maro samihafa! Maromaroa ny tahaka azy e! Tena Vonjy Aina no ilaina hitondrana indray ny Firenena eo sehatra avo avo kokoa e!

  • #2

    Dénise Rabe (samedi, 14 août 2010 16:50)

    Ary ingahy Ranjeva ity anie dia miteniteny foana e! Raha hendry i leiry dia tokony ho atolony ny fitsarana ilay rahalahiny izay nagalatra vola tsy toko tsy forohana tao amin'ny banky iray tao Manakara! Ingahy Louis Ranjeva no anarany!

  • #3

    JUSLIN (samedi, 14 août 2010 17:22)

    Amin'ireo fomba fanazavany hevitra dia hita fa tena tsara tokoa ny tolokeviny,ary i denise rabe io moa tsy mahay ny ohabolana Malagasy hoe omby indray mandry tsy indray mifoha,ary ny Ray amandrenin'izy ireo tsy niteraka fanahy fa vatana ka ny toetranjandriny tsy ho toetranjokiny velively

  • #4

    Ny HENDRY (dimanche, 15 août 2010 10:45)

    Amiko aloha dia tena maro ny hevitra hitovizanay mianaka. Izany tetezamita izany dia natao handaminana sy fampitoniana ny savorovoro(izany no nanaovana "sacrifice"hijerena manokana ny lalana hifehezana ny fiarahamonina ka hanaovana"teny hierana" eo @samy VAHOAKA REHETRA )DIKANY: ny tetezamita natao HIARAHAN'NY REHETRA TSY MISY ANKANAVAKA mifampidinika;natao ho fiangaina sy fototra mafy hifaneken'ny rehetra

  • #5

    sareraka (dimanche, 15 août 2010 11:01)

    Tena tsara be ilay foto-kevitra fa mba tonga dia tanteraho fa maika ny vahoaka e!!!!Akipilizo any ireo lazainao fa "mpitondra jiolahim-boto"ireo ka apetraho haingana ny rafitra"tena olon-kendry"iaraha mitazana ny fandehany????

  • #6

    charlesbo (dimanche, 15 août 2010 17:40)

    i Denise Rabe izao dia tsy mahita tononkira hafa avoaka na fohy fisainana. Matoa tsy hita hatramin'izao i louis ranjeva izay lazainao eo dia ny fitsarana namanao sy ny foza no tsy manao tsara ny asany. Fa maninona tsy misy sahy mamoaka io resaka io hatramin'izao? ny dikany izany dia misy voaroirory koa amin'ireo eo amin'ny hat foza ireo, mazava izany ? raha nihaino tsara ny fanazavan'i raymond ranjeva ianao dia nilaza mazava izy fa efa any amin'ny fitsarana ny raharaha ka tsy hitsabaka izy, matoa izy sahy milaza an'izany dia samy lehibe mahalala tsara izay ataony ny tsirairay. Fa rehefa tsy mahita ho lazaina dia mba soloy ny diska na mangina fa tsy ny eo ihany no asesika ry denise rabe an !!! Ny an'ny olona rehefa manakiana dia any amin'ny zavatra mba mitombona

  • #7

    Mamado (lundi, 16 août 2010 13:02)

    Manohana ny hevitry ranjeva

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra