sam.
14
août
2010
Rehefa mandeha mafy be dia midofotra, na koa tafavoaka ny lalana tokony hizorana. Hifamonjena sy avotana fa latsaka an’ady. Karohana erak’ity vodi-saingona rehetra ity sao mbola azo avotana ihany ny aina. Havan’ny tena moa no tra-doza ka tsy afaka handatsa ireo manana fo lonaka fa mampitraka sy mankahery. Fa ny zava-doza dia tsy vitsy ireo mbola manao “hosana” sy mamporisika fa tsy olana loatra izay miseho. Nisy tsy maty voalavo an-kibo no mpamosavy nahatonga ny loza. Aleo tohizana ihany, ary rehefa nifampidinihana sy nifanotofana naharitra teo, dia ilay mpamily teo ihany no azo antoka kokoa fa tsy maintsy hapetraka eo ambony familiana, izy ihany no “ilay mahavita” sy tsy azon-tsiny: “Tohizo ny lalantsika”, “lasa izao! ‘zao dia ‘zao “ araka ny hiakiakan’ny teo aloha ihany. Dia roso ity tsa mipody koa? Tsy nohamarinina ny taratasy azo hitondrana ny fiara, tsy nisy nisaina kely akory mba nanamarina raha manan-kery ny fahazoan- dalana mamily, tsy nojerena akory ny solika raha mbola ampy sy hahatongavana any amin’ny tanjona. Tsy nasiana topi-maso akory ”ireo andian’olona” mbola ery ivelan’ny fiara. Ireny andian’olona ireny moa ilay notondroina ho mpanelingelina fotsiny. Toy izany no kisary mety handikana ny manjo an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Mifanjevo ny tontolo politika malagasy, samy mitonona ho mpamaha olana daholo. Samy maranitra sy kinga saina ka tonga amin’ny fitenin’ny razana hoe: mpirahalahy mizara henan’ondry, ka samy miady fo ho an’ny any an-tranony.....
Mivondrona ny firaisa-monina sivily ary mandrangaranga fa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny mpivory teny amin’ny “espace” sy ireo rehetra tonga hatrany Ivato, dia te-hilaza fa dika mitovitovy amin’ilay fifanarahana iraisam-pirenena no nateraky ny dinik’izy ireo ka azo antoka ny hankatoavana izay vita eo, ary manankery avy hatrany raha vantany vao vita sonia (?). Asa raha nankaiza ireo nitonona ho ray aman-dreny, inona no dingana vitan’ireo mitonona fa misolo-tena an’izatsy na izatsy? Ho very an-javony izany ny tena olana teto fa olana vaovao indray no hatrehanan’ny rehetra? Tsy maintsy hifandrohitana indray izay “TETIKA” hankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy maintsy hiverenana na ho ela na ho haingana ny momba ny fanonganana ny fanjakana amin’ny alalan’ny famorivoriana vahoaka. Asa moa na hiroso amin’ny fiandaniana amin’izay vita sonia na hihainohaino indray ny bebaoty sy ny mpitsara avo eny Ambohidahy eny. Tsy misy maniry loza tsy akory ny olom-pirenena kanefa dia tsinjotsinjo ihany fa hivoaka ny lalana tokony haleha isika. Tsy misy zotra tena iraisana, fa samy mivazavaza amin’ny hitsin’ny lohany daholo. Mpamily tsy mahafehy ny fiara entiny no hitadiavana “hevi-dravina” ho tsy maintsy hitari-dalana. Adaladala ka tsy mety fay ! Mbola hifanena amin’ny mpaka kitay! Dia aza gaga fa handeha hiriotra ny fiara…saingy ho lany solika, ho vaky kodiarana, ary mety hivarina ankady tsy ho ela indray. Ny hanongotsongoana ny maty dia tahotra ny handevim-belona, ary tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ieràna, lany ihany! Ony RAMBELO
Azo lazaina fa ny vahoaka malagasy manontolo no nivoaka nandresy tamin'iny fifanarahana politika iny. Miezinenzina tamin'iny koa ny fandresena azon'ireo mpanao politika nandray anjara sy nanao sonia iny fifanarahana iny. Tsara koa nefa ny manipika fa dia faharesena tsy roa aman-tany no nahazo ireo trois mouvances sy zareo ao amin'ny GTT vokatr'iny fahombiazan'ny HAT iny! Fa ingahy Ravalo aloha dia tena nahazo tsipaka am-bava fo tokoa tamin'iny e!
D hitovy tsy misy valaka tamin'ny 1991 ity toe-draharaha ity.Tamin'ireny anie naloan'ny vahoaka i RADIDY toa hoatran'ny tetezamita ihany no nitranga mandra-piveriny teo amin'ny fitondrana 1996 satria lany andro nifanolosolo sy nifanongana teto ny herivelona Rasalama fa tsy nisy fandrosoana vanona sy mari-pototra.Ka ity tranga misy amin'izao fotoana ity dia toa lany andro manao atelier etsy sy eroa,mamolavola daty tsy hita hoe atao inona,ka ny fiafaran'izy io dia miandry ny fiverenan-dRAVALO ihany koa.
Amin'izao vanim-potoana izao dia mbola maro sy betsaka ny Malagasy mbola variana manenjika an-dRavalomanana Marc, ny firenena anefa iaraha mahita ny fiazakazany manenjika ny rambon'ny filaharana
aeran'izao tontolo izao. Ireo misora-tena hanarina dia tena olona mbola kere lavitra noho ireo any amin'ny faritra atsimo, noana mafy hatramin'ny sain'izy rehetra ireo ka tsy mety mijanona kely
misaina kely fotsiny raha tsy maimbo rezatra hatramin'ny sainy.
Indroa na intelo ahita maizina toa tain'omby natsetsin-dava-bary ny firenena Malagasy, ny maizina fanintelony dia tsy lava-bary fa asa loatra lavak'inona rê no azo iantsoana azy.
Misy tena mbola maizina lavitra noho ireo antsoina hoe maiziana...
Dénise Rabe,
Fanitsina ny fanamarihana nataonao tompoko, ny tenako dia Malagasy ary isan'ny vahoaka Malagasy, araka ny fijeriko sy ny hevitro dia tsy isan'ny vahoaka Malagasy mihoby sy midera ireny antsoinao ho
fandresena mierinezina ireny ny tenako.
Mijanona amin'ny sehatra valy faty manokana ihany no fahatsapako ny fibitakao satria tsy Ravalomanana Marc no Madagasikara, noho izany tsy dia hitako loatra ny fipetraky ny raharaha tianao ambara eo
antrehan'ny sehatra iraisam-pirenena.
Tsy ny Frantsay irery, izay mandrafitra avy ao ambadika no tompon'ny teny farany, an'ny Malagasy i Madagasikara, tsy voatery ho frantsay lalandava no hanery sy hanolo-kevitra mba hampizotra ity
firenena ity.
Masina ny tanindrazna.
Ny hazo tokana hono tsy mba ala, ny tondro tokana tsy mahazo hao. Asa vadi-drano izy ity ka asakasak'izay tsy te hifanakona.
Fomban'ny vorom-be sima ny mikapakapa ary tsy mijery tena fa variana manenjik'olona.
Atsipy ny teny ampon'i Dénise Rabe, vavan-kisoa misy sira tokoa io tompoko.....
