sam.

14

août

2010

Lehilahy tsy mahavelona: An’ny vehivavy ny fanefitra

Toe-javatra mety hiseho eo amin’ny lehilahy rehetra ny « panne sexuelle », na ilay tsy mahavelona. Tsy ny fikarohana ny antony no tokony hatao ho zava-dehibe fa ny fomba fandraisana an-tanana azy. Ahoana ? Zavatra tsy zakan’ny lehilahy aloha ny miaina azy io amin’ny ankapobeny. Vitsy ny lehilahy manaiky azy mora foana, noho ny hamenarany. Tsy ilaina mihitsy izany ny manontanintany azy tsy amin’antony momba io toejavatra io. Tsy tsatsoana ihany koa izy satria tsy azy loatra ny tsiny........

Omeo toky izy voalohany indrindra. Alamino ny sainy fa toe-javatra mpahazo ny lehilahy ihany ny tsy mahavelona fa tsy hoe izy irery ihany no mety iharany. Tsy ny firaisana ara-nofo ara-bakiteny fotsiny ihany koa no fomba ahazoana mifampizara fitiavana sy fahafinaretana. Eo ny safosafo, ny kitikitika isan-karazany. Azonao omena azy tsara izany hanaronana ny toe-javatra mahazo azy … saingy tsaratsara kokoa raha tsy kitihina eo amin’ilay faritra manahirana ny sainy iny. Trangan-javatra mety hiseho eo amin’ny vehivavy ihany koa anefa ny “panne sexuelle” fa tsy hoe an’ny lehilahy irery. Ataovy fantany izany. Miseho amin’ny fahamainan’ny fivaviana indray izy eo amin’ny andriambavilanitra ary voajanahary izany fa tsy hay fehezina. Anontanio azy moramora amim-pitiavana izay zavatra tiany ataonao aminy. Asehoy azy mihitsy hoe tsy misy fiantraikany ratsy eo aminao ny fisian’ilay izy tsy mahavelona. Tsy tokony handiso fanantenana anao izany na hahasorena anao. Ndrao ianao indray no hanampy trotraka ny zavatra efa manahiran-tsaina. Antony maro no mety mahatonga io toe-javatra io amin’ny ankapobeny. Santionany amin’izany ny havizanana, na ny fanahiana tsy hahafa-po ny olon-tiana. Miankina amin’ny mpivady no fiarahana mamaha ny olana fa tsy avela ho sakana hametraka rarin-tsaina indray ny fisiany. Izay no andraikitry ny vady. Eo foana amin’ny fotoana rehetra ilana azy.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra