sam.
14
août
2010
Somary nanaitra ny maro ihany ny nandre fa omaly zoma faha 13 Aogositra no natao ilay sonia fifanarahana vaovao eo amin’ny mpanao politika sy ny filohan’ny HAT. Tsy amin’ilay fanaovana sonia nihemo-dava akory fa ity izy natao omaly izany, hoe ao anatin’ny « vendredi 13 » mihintsy no nanaovana izany. Dia manontany tena ihany hoe, sao dia misy ambadikany indray ary ny fanaovana azy ity anio. Raha tsahivina dia ny daty hanaovana ny fihaonambem-pirenena sy ny daty hanaovana ireo fifidianana no nivoitra nandritra iny dinika teny Ivato iny, eo ihany koa anefa ireo rafitra vaovao hitantanana ny tetezamita, mba hahafahana miditra amin’ny repoblika faha efatra. Ny filohan’ny tetezamita amin’izao ihany no tapaka nandritra ny dinika izay nataon’ireo mpanao politika teny Ivato hitantanana ny fanjakana mandram-pahavita ny fifidianana filoham-pirenena sy hametrahana izay filoha vaovao hitondra amin’ny repoblika faha efatra. Arak’izany dia izy ihany koa no hanendry izay ho Praiminisitra vaovao hitantana ny governemanta hiraisam-pirenena. Arak’ izany ary dia ho foanana ato ho ato ny Governemanta Camille Vital, satria efa nifanao sonia ny roa tonta fa governemanta misokatra ho an’ny ankolafy rehetra no apetraka eto amin’ny firenena.........
Fa anisany nivoitra tao anatin’ity dinika izay niarahan’ny mpanao politika miisa 87 ity ihany koa ny mahakasika ireo daty izay navoaka hanaovana ireo karazana fifidianana eto amin’ny firenena, ny 17 Novambra 2010 izao ary no hanaovana ny fitsapakevi-bahoaka, ny 16 Marsa 2011 ny fifidianana solombavam-bahoaka, ary ny fiodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena kosa dia atao ny 04 May 2011. Tsy nasiam-panovana kosa ny daty izay hanaovana ny fihaonambem-pirenena fa mijanonana hatrany amin’ny faha 30 Aogositra ka miafara ny faha 03 Septambra 2010. Toa mampahatsiahy sahady ilay tenin’ny filohan’ny tetezamita fony izy nandray ny fahefana ihany ny zava misy amin’izao satria tokoa mantsy dia tsy vao izao akory no nisy ny daty mivoaka hanaovana fifidianana eto amin’ny firenena. Raha kely indrindra dia efa niova in-telo izany daty izany, ary tsy mbola nisy tanteraka hatramin’izao. Noho izany ary dia kely finoana ihany ny vahoaka mahakasika ity daty vaovao ity, fa indrindra ihany koa ireo karazana fanovana maro izay atao amin’ny fitantanana ny tetezamita. Toa mandihy tsy afa-tavony ihany ireto mpanao politika ireto. Asa aloha na mody vahiny ihany koa izy ireo amin’ ny fomba amam-panaon’ny filohan’ny HAT, mahakasika ny fiovaovan-kevitra isaky ny misy tsy dia mifanaraka aminy sy ireo mpiara miasa aminy akaiky. Dia mieritreritra tokoa ireo mpanao politika maro be ireo fa nandaitra ny tetim-panoriny. Na ity fizarazarana seza ity ihany aza dia mety hampisy olana tsy ho ela eto amin’ny firenena indray.
Azo lazaina fa ny vahoaka malagasy manontolo no nivoaka nandresy tamin'iny fifanarahana politika iny. Miezinenzina tamin'iny koa ny fandresena azon'ireo mpanao politika nandray anjara sy nanao sonia iny fifanarahana iny. Tsara koa nefa ny manipika fa dia faharesena tsy roa aman-tany no nahazo ireo trois mouvances sy zareo ao amin'ny GTT vokatr'iny fahombiazan'ny HAT iny! Fa ingahy Ravalo aloha dia tena nahazo tsipaka am-bava fo tokoa tamin'iny e!
Tsy ilay fanindrahindrana mahazatra anareo Denise Rabe no mampandeha ny raharaha fa ny zava-misy marina dia mbola miandry ny "tena tetezamita"ny Malagasy fa tsy izao fihetsiketsehana etsy sy eroa efa lany maodiny izao foana akory averina eto.Tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany Rajoelina raha mbola io cinema omaly tsy miova io no atao dridrangilo eto.Raha olon-kendry Rajoelina ny mifampiraharaha amin'i Ravalo ihany no vaha-olana.
