ven.

13

août

2010

Olana sa vahaolana: Ny lehilahy kely filahiana

Samy manana ny toebatany ny olona tsirairay. Raha ho an’ireo taranak’i Adama dia mbola ny habe na hakelin’ny taovam-pananahany ihany aloha hatreto no anisan’ny mitana ny sain’ny maro amin’izy ireo. Ireo manana filahiana kely dia miasa saina fatratra ny amin’izay ho fitsaran’ny vehivavy azy. Ireo manana filahiana somary lehibe indray dia fatra-pirehareha ho mahery sy matanjaka. Mirefy 11sm eo ny filahiana amin’ny ankapobeny, rehefa tsy mihenjana. Mahatratra 15sm kosa rehefa taitra ka mihinjitra. Antsoina hoe « micropénis » ny filahiana latsaky ny 8-9sm eo am-pihenjanana. Tsy afaka ampitoviana amin’ilay aretin-tsain’ny lehilahy maniry hanana filahiana lehibe, izay mihevitra ny azy ho kely ihany kosa anefa ny “micropénis”........

Antony maro no voalaza ho mahatonga ny “micropénis”, raha ara-medikaly. Azo tanisaina ao anatin’izany ny tsy fahampian’ny “hormones” maha-lehilahy na ny “androgènes”. Mety ho antony mitarika izany ihany koa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fiforonan’ny “chromosomes”. Azo raisina ho toy ny karazana aretina rehetra ihany ny fananana “micropénis”. Hatreo amin’ny taona fahamaotiana dia fomba iray azo hanasitranana io tranga io ny fampidirana “testostérone” amin’ny alalan’ny tsindrona. Rehefa hita fa tsy mahomby intsony ity fomba ity dia mety hiafara amin’ny fandidiana ny fitsaboana. Mety hahazoana roa santimetatra ny fandidiana. Ny zavatra tsapa hatramin’izao aloha diam bola olana iray miteraka sakana eo amin’ny fiarahan’olon-droa ny fisainana izay hakelin’ny filahiana izay. Rehefa natao ny fanadihadiana tany amin-dry zareo Egypsiana dia lehilahy 92 izay mihevitra ny tenany ho manana “micropénis” no efa nangataka fandidiana tamin’ny manam-pahaizana vokatr’izay. Rehefa tena nirosoana anefa ny fandidiana dia hita fa amin’ny antonony tsara avokoa ny refin’ny filahian’izy ireo fa ny sainy mihitsy no efa samba. Fanohanana aratsaina fotsiny ihany dia mety ho ampy nanasitrana azy ireo, tsy voatery nandalo fandidiana. Koa dia asakasak’izay lehilahy manana fiheverana toy izany !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra