ven.

13

août

2010

Ny fifidianana hono no Maika: Nahoana no tsy natao tamin’ny herintaona ?

Miketrika mafy ny mpanao politika sy ny fitondrana tetezamita. Ny hialàna haingana amin’izao krizy izao no tanjona amin’izany. Miraradraraka ny tadimpifidianana izay ataon’izy i reo. Io ihany hono no lalana ahafahana mivoaka amin’izao krizy ara-politika eto amin’ny firenena izao. Na dia eo aza ilay vondrona antsoina hoe CNOSC izay sehatra iray hitambaran’ny fiarahamonimpirenena, dia toa natao rano dikain’ny zinga ihany izy ireo amin’ny famolavolàna ny fikaonandoham-pirenena ahafahana mamaritra ny datim-pifidianana eken’ny rehetra. Maika ny fanaovana ny fifidianana. Efa ela no nandrenesana izany, ary fony vao voarombaka aza ny fahefana, teny an-dalam-be, dia efa nametraka datim-pifidianana ireo ao anatin’ny FAT ankehitriny.....

Indrisy anefa, fa hatramin’izao, dia resaka mandany jiro fotsiny ireny. Mbola heno mandrak’androany ny filazana fa hatao faran’izay haingana ity fifidianana ity. Koa raha maika toy izany, nahoana no tsy natao tamin’ilay daty nofaritana voalohany, raha vao nandray fahefana ity tetezamita ity? Matoa tsy tanteraka, dia misy ny olana. Eo ny lafiny ara-bola sy fitaovana, ary indrindra ny mety hisian’ny fifandonana eo amin’ny mpiray tanindrazana. Raha mamaritra ilay daty amin’ny herintaona hanaovana ny fifidianana ny antoko politika sy ny FAT, moa ve efa manana ny entimanana amin’izany izy ireo, sa heverina fa hanaiky mora izay daty tiany hapetraka ny mpamatsy vola iraisampirenena? Iza ihany koa no hikarakara ny fifidianana, indrindra fa efa nisy lamina napetraka izay ho faritan’ny fikaonandoham-pirenena? Raha mahatsapa ny mpitondra fa zava-dehibe ny fijoroan’ny olona lanimbahoaka hitondra ny tany sy ny firenena, nahoana no narodana ny ara-dalana teo aloha, ka nosoloina izao fitondrana mivadi-dela isaky ny mihetsika izao ? Hiroso amin’ny fametrahana ny ara-dalana isika, ho tafaverina manaraka izany ve ny fiainam-bahoaka nopotehina tao anatin’izay 19 volana izay? Ireo very asa sy rava fananana, indrindra fa ireo nanana havana maty? Ny fihavanana izay potika hotohoto, mba ahoana? Izay no ilàna ilay fampihavanam-pirenena miampy ny aministie ary ny fikaonandoham-pirenena, fa tsy ny famaritana ny tadim-pifidianana izay hatao amin’ny herintaona no maika. Vahoaka tsy milamina, aza terena hanao fifidianana, sao hahitan-doza. Tsapa ihany koa hatreto, fa mitombo ihany ny andro sy volana ary taona hitoeran’izao fitondrana tsy ankatoavin’ny maro izao, indrindra fa ny sehatra iraisam-pirenena. Izay anie no hilazana hoe maninona raha tsy asiana fifidianana, fa ento mandrakizay ny familiana ny raharaham-pirenena e. Sady tsy ho lany vola, no afaka manao izay tiany atao ny mpitondra eo. Ireo rehetra ireo, dia ahitana, fa mbola manjaka ny kajikajy politika ahafahana manitatra ny fahefana ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Dénise Rabe (vendredi, 13 août 2010 20:42)

    Tena sady kivy no rarak'ivy ry zareo mpomba an-dRavalo mahita ny fahombiazan'i Andry kely Filoha mahavita azy!
    Ary mba aiza tokoa i Valo no tsy re tsaika intsony tato ho ato e?

  • #2

    zanaky Ra Valo (mercredi, 18 août 2010 06:16)

    marary fo mintsy le denise rabe ty.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra