ven.

13

août

2010

Inona indray no havoakan’ny ampitso ?

Nifarana indray iny ireo dingana lehibe sy goavana nolalovana, na koa nampandalovana ny krizy Malagasy, dia ny fihaonan’ireo mpitondra FAT sy ireo mpanao politika avy amina antoko politika miisa 80 mahery ary ny fihaonan’ireo antoko politika sy ny fiombonamben’ny firaisamonimpîrenena (CNOSC). Samy nanana ny navoakany izy ireo avy, fa ny azo hamehezana azy dia tsy nitovy ny hevitra nivoaka sy notinapaka. Niara-nifanaiky sy niara-nanao sonia fifanarahana mikasika ny ho firafitry ny fitondrana tetezamita vaovao sy ireo datim-pifidianana maro samihafa ny teny Ivato. Namatsapatsaka sy nanazava ary mbola nanamafy hatrany kosa ny fiombonan’ireo fiaraha-monina sivily teny amin’ny Astauria Antanimena fa tsy misy afa-tsy ny fifanantonan’ireo mpanao politika rehetra tsy an-kanavaka mba hivoahan’ny fifanarahana matotra sy hiraisan’ny maro. Etsy ankilany, mbola miziriziry amin’ny fanatanterahana izay notinapaka sy nosoniavina tany Maputo sy Addis Abeba hatrany ny eo anivon’ny movansa Madagasikara, ary milaza ny tsy hihemotra mihitsy na dia nisinisy ihany aza ireo namadika palitao ka nijabaka namonjy ny fivorian’ireo mpanao politika teny Ambohidahy sy teny Ivato.......

Nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny teo anivon’ny antoko Monima, ka nampitandrina fa tsy maintsy miverina amin’ny rafitra navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny volana martsa 2009 lasa teo izay nametraka ny filohan’ny FAT ho Ingahy Andry Rajoelina sy ho praiminisitra an’Ingahy Monja Roindefo na hanatanteraka izay voasonia tao amin’ny fifanarahan’ny Maputo sy ny tovan’ny Addis Abeba isika raha te hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena. Inona re no havoakan’ny ampitso e ? Mbola baraingo izany. Etsy andaniny, mitohy tsy an-kiato ary toa mipoitra tsikelikely ny fitokonanana na fanambanana hitokona, toy ny eny amin’ny anjerimanontolo, ny an’ny sendikan’ny mpitsara Malagasy, ny an’ireo mpiasam-panjakana sy ny maro hafa. Toa filam-boatsiary, nefa toa mitombina ihany, satria ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina. Nivoaka kely tamin’ny fahanginany ihany koa ny foloalindahy Malagasy, ilay tena rangory fototry ny afo. Kanefa toa maty an-karanany toy ny an’ny FIGN izany, ka ny sazy indray no mirangaranga. Ahoana indray re no havoakan’ny ampitso e ? Mbola baraingo. Toy ny rafotsibe very laona ankehitriny Ra-Malagasy, ka miandry izay higadonany.

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    rajery (vendredi, 13 août 2010 12:47)

    Mila manankina marina ny fiainana amin'Andriamanitra ny Malagasy tsy vaky volo na aiza misy azy na aiza.Tsy lalàna volavolain'olombelona intsony no hatao fa mila misintona lesona ao amin'ny lalànan'Andriamanitra entina miaina sy manatanteraka ny raharaha rehetra mba ho avy mamirampiratra no iarahan'ny Malagasy eto fa tsy izao misy izao intsony.Mba samy hibebaka hiala amin'ny ratsy fanaony daholo na iza na iza dia hihaino any andanitra Andriamanitra ary hanasitrana ny taniny.

  • #2

    Dénise Rabe (vendredi, 13 août 2010 15:34)

    Ka ilay izy anie Rajery, Andriamanitra efa nanome ny fahasoavana goavana ho an'i Malagasy saingy ny fitiavan-tenan-dRavalomanana mihitsy no nanapotika ny Malagasy e!

  • #3

    Tsy Rabe (samedi, 14 août 2010 08:39)

    Tany amin'ny fivoriam-ben'ny ONU dia voalaza fa sans qualité ny mpitondra antsika.
    Ingahy Ranjeva, izay tena manana qualité tokoa satria henoin'izao tontolo izao teny, dia manamafy koa fa fitondrana jiolahim-boto no eto amintsika.
    Izany sans qualité sy jiolahim-boto izany ve ry Dénise Rabe dia mbola arovanao ihany ? Mahalalà menatra ary mba matahora an'Andriamanitra tompoko !

  • #4

    NY HENDRY (samedi, 14 août 2010 09:05)

    Dia samy mijery sy manaramaso isika izao hoe :HAHOMBY TOKOA VARE ILAY FIFANARAHANA tsy nosiniavin'ny TENA TOMPONDRAHARAHA teny Ivato (Andry+R8)fa ny ankilany ihany(Andry)? Ary HANAO AHOANA ireo mpiasa very asa t@ity krizy ity? Ary hanao ahoana ny ho avin'ireo GADRA POLITIKA ? Ary ny farany NY FODIAN'IREO ANY IVELANY TSY FIDINY,sy nyENDRIKENDRIKA fifidianana miseho(raha tsy avela hody ny any ampita)?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra