ven.
13
août
2010
Raha vi ta ny soni a hataon’ny mpanao politika maro, dia tsarovy, fa tsy maintsy hihitatra amambolana maro indray ny tetezamita. Ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita Andry Rajoelina, izay hajanona amin’ny toerany, satria sarotra ny manala azy noho ny miaramila mbola ao ambadikany. Ny Praiministra kosa no ho soloina, ary hiarahana mitantana ny Goverenemanta hijoro eo.......
Tsy mbola voarainay amin’izao ora hanoratanay izao, izay mety ho vokatry ny sonia fifanarahana hatao, izay voatondro, fa anio no hanaovana izany, miaraka amin’ny filohan’ny FAT. Ny feo heno alohan’io sonia io anefa no nahafantarana ireo voalaza etsy ambony ireo. Midika avy hatrany, fa ho voahilika amin’ny toerany ny Praiministra Vital. Zaraina nyseza, ary arodana ihany koa ny FAT etsy Anosikely, ka hiarahana manendry ny olona hiakatra eo amin’ny toerana. Halavaina ny tetezamita, ary io no hamaritra ny lalan-kizorana mankany amin’ny repoblika faha-efatra. Toa mampahatsiahy ilay fomba fiteny taloha hoe, zarazarao hanjakàna ity tetika ity, raha izay no fikasan’ny mpanao politika. Ny tsy mbola nihinana, aleo ho voky, ary ny vahoaka miandry izay fanapahan-kevitra ho raisin’izay mitondra eo indray. Tsy izany ve no tonga amin’ilay fiteny hoe kilalao politika? Dia ny vahoaka hatrany no mihinan’ny tadiny eo. Ramanaintaina
Koa na inona na inona zavamisy eto amin'ny Firenena dia ny vahoaka foana anie no mihinan'ny tadiny araka ny voalazanareo e!Ny mpitondra manao fitaovana ny vahoaka fotsiny hahazoana seza!MBA TONGAVA SAINA amin'izay ry VAHOAKA a!
