ven.

13

août

2010

13 aogositra: Andro eran-tany ho an’ny olona kavia

Maro an’isa ny olo-malaza kavia eran-tany. Anisan’ireny ry Jules César sy ry Barack Obama, ry Charlie Chaplin … Na izany aza anefa dia mbola mahatsiaro ny tenany ho tsy manana lanja loatra izy ireo eo amin’ny fiainana raha ampitahaina amin’ny olona kavanana. Anisan’ny antony nametrahana ny andro erantany natokana ho an’ny olona kavia izay faritana hankalazaina isaky ny 13 aogositra ireo. “Mbola tsy manan-danja eo anivon’ny fiarahamonina loatra ny olona kavia. Tsy misy ny fitaovana natokana hampiasain’izy ireo toy ny antsy, ny hety …”, raha ny nohazavain’ny manam-pahaizana iray Aotrisiana, mpampianatra sy mpanofana olona kavia sahiran-tsaina......

Kavia avokoa ny renin’ity manam-pahaizana ity sy ny vadiny. Tsy misy nanahaka izany kosa anefa ireo zanany vavy telo. K av i a ihany koa i t y manam-pahaizana ity, ka rehefa tonga teo amin’ny faha-45 taonany izy dia niezaka nivadika ho kavanana. Namorona fandaharana manokana mifanindrandalana amin’ny fanabeazana ny olona kavia ity manampahaizana ity. Araka ny fanadihadiana nataon’ny tranonkala “lesgauchers.com” mantsy dia eo amin’ny 8%-n’ny olona eran-tany eo no kavia amin’ny ankapobeny. 1% any Extrême Orient, 13% avy any amin’ny firenena tandrefana. Nanomboka tamin’ny taona 1976 no napetraka ny andro eran-tany ho an’ny olona kavia, izay marihina isaky ny 13 aogositra.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Dénise Rabe (samedi, 14 août 2010 16:51)

    Azo lazaina fa ny vahoaka malagasy manontolo no nivoaka nandresy tamin'iny fifanarahana politika iny. Miezinenzina tamin'iny koa ny fandresena azon'ireo mpanao politika nandray anjara sy nanao sonia iny fifanarahana iny. Tsara koa nefa ny manipika fa dia faharesena tsy roa aman-tany no nahazo ireo trois mouvances sy zareo ao amin'ny GTT vokatr'iny fahombiazan'ny HAT iny! Fa ingahy Ravalo aloha dia tena nahazo tsipaka am-bava fo tokoa tamin'iny e!

  • #2

    C koi c délire (dimanche, 15 août 2010 18:14)

    Asa iza ity denise ity fa aty amin'nyresaka fialambolay ay no mitonatonana manoratra politika
    Asa akaiky loatra ny... angamba ny....
    ka tsy afaka mandinika tsara

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra