jeu.
12
août
2010
Ity indray ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizana mikasika ny zavatra tian’ny lehilahy eo amin’ny lafiny fitiavana. Mety ho taitra ihany ianao raha ilazana fa ny fiarahana anaty tokantrano, miaraka amin’ny olon-tiany hono no tena mahafinaritra indrindra ny lehilahy momba izay sehatra izay. Tsy ny asany velively, na ny fianakaviany. Ho an’ny 76%-n’ny lehilahy tsy mbola manan-janaka dia ny fiarahana amin’ny vadiny no zavatra mahafinaritra azy indrindra. Ny 63%-n’ny lehilahy manambady indray no mihevitra fa io vadiny io no tena vehivavy natokana ho azy hiara-dalana aminy eo amin’ny fiainana. Tsy mahagaga raha toa ka tanjona iafaran’ny fiainany ara-pitiavana ny fandraisany ny mariazy ho an’ny 50%-n’ny lehilahy........
Rehefa nanontaniana indray ny fototra manorina ny fanambadiana ho an’ny ankamaroan’ny lehilahy dia ny firaisan-tsaina sy ny hanihany ary ny fiarahana mihomehy no lalana ahatongavana amin’izany ho an’ny 67%. Momba ny fisarihana zoro amim-behivavy indray dia voalaza fa ny vehivavy manana fahasahiana no tena mahasarika indrindra ny ankamaroan’ny lehilahy. Ny 88%-n’ny lehilahy hono no mankafy kotikotian’ny vehivavy avokoa. Ny 83% no mankafy horohan’ny vehivavy. Ho an’ny ankamaroany, izany hoe ny 72 % indray dia voalaza fa mahafaly azy ireo mihitsy ny fahitana ny vehivavy mampiseho ety ivelany ny fakany tsirony amin’ny fiarahana. Sehatra azo iadiankevitra tsara ny momba izay ho antsika