jeu.

12

août

2010

Kosometa(*)

Tsy misy voambolana azo hilazàna ny zavatra atao eto afa-tsy ny hoe : kosometa. Tsy misy ezaka ho amin’ny fanatsaràna fa mitafy bemiray sy mikombona anaty tsikoko matevina ny rehetra. Mitrena mafy ny tompom-pahefana fa miroso amin’ny famahana ny olana politika malagasy, kanefa dia iaraha-mahita fa malaina hanangana firenena vanona sy tan-dalàna ary tena matanjaka ara-poto-kevitra. Tsy mivonona hanangana ny arofanina sy ny lalàna ifampifehezana ny rehetra fa mbola te-hiaina ny baranahiny sy ny hevi-diso hatrany. Ho rebirebena amin’ny resaka fifidianana indray ny olom-pirenena. Azo inoana ve anefa fa hisy fifidianana mizotra am-pilaminana sy mety hanan-danja imason’ny samy malagasy, ary koa ho eken’ny sehatra iraisam-pirenena raha mbola izao zotra izao ihany no handehanana?........

Milaza ny mpitarika ilay vaomiera mahaleo tena mikarakara ny fifidianana fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana ny fifidianana hatramin’izao. Tsara ny ezaka ho amin’ny fanoratana ny lisitry ny mpifidy, ny daty dia efa mandinika azy ny mpanao politika mpandray anjara. Mahavelom-bolo izany rehetra izany, saingy tsy ny androm-pifidianana sy ny eo alohan’izany anie no olana teto hatramin’izay e! Mety daholo izay lalàna rehetra nampiharina fa ny mampipoitra ny sakoroka sy niteraka ny olana rehetra teto nandritra ny repoblika telo nifanesy dia ny FIFIDIANANA. Ny tsikaritra dia ireo mpanao politika tsy nandray anjara akory teo amin’io fifaninanana io no mitarika ny tsy fankatoavana ny vokatra miseho eo. Ekena fa ilaina ny fankatoavana ny safidin’ny maro an’isa, ka firy amin’ireo mpanao politika malagasy mifamorivory ankehitriny no mety hanindry fo sy saina hankatoa izany? Tsy ilàna taratasy soniavina sy didy aman-dalàna marobe izany fa fahaizana mankatoa sy manaja ny hevitry ny hafa. Amin’izao fotoana izao dia tsy misy afaka maneho hevitra TENA an-kahalalahana eto. Na marobe aza ny haino aman-jery isan-karazany, tsy misy tena ady hevitra mazava any anaty andrim-panjakana, indrindra moa dia tsy misy mpanao politika mahazo alalana hamory vahoaka, na hitaky fanovàna famindra eo amin’ny mpitantana. Koa amin’ny fomba ahoana no hanaovana fampielezan-kevitra amin’izany raha tena hiroso amin’ny fifidianana tokoa? Ny mpanao politika malagasy koa ve manaiky fa ny famoriambahoaka sy ny tolom-bahoaka dia azo atao ara-dalàna manomboka izao? Raha izany no tsy hifanekena dia azo inoana marimarina fa hiverina hatrany ny olana eto. Tsy maintsy dinihina ny fomba handroahana ny mpanao politika be vinany. Ireo mpomba sy mpanohana ny mpitondra teo aloha, sy ireo vahoaka nifidy ny mpitondra tamin’izany ve dia tsy hanan-jo hahafantatra, fa tsy eken’ny besinimaro intsony ny olona notohanany sy nofidiany hatramin’izay. Tsy midika ho fiarovana ny kolontsain’ny tsimatimanota akory izany fa tsara ifanarahana kosa fa aleo ho tsarain’ny mpifidy rehetra fa VOAHILIKA izy ireo. Raha tiana ny handraisan’ny mpifidy malagasy rehetra anjara amin’ny fifidianana dia azo inoana fa ny fahafahan’ny mpanao politika sahy hisedra izany no vaha-olana haingana sy mety hanadinoina ny kizo matetika miverina ity. Ka vonona amin’izany ve ny rehetra sa hatao kosometa ny fifidianana dia taritina elabe eto ny olana ? (*)Maloto, tsy misy vidiny, kitoatoa Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 7

  • #1

    yves (jeudi, 12 août 2010 11:15)

    fa inona izany kosometa? tana maloto tokoa? voretra? hihihihihi!

  • #2

    Zo R. (jeudi, 12 août 2010 12:02)

    Mitovy hevitra amin'ny mpanoratra ny tena. Ahoana tokoa moa no hisy fitoniana eto raha mbola mihevitra ny mpomba ny filoha teo aloha fa naongana ny azy fa tsy fifidianana no nanala azy teo? Amin'izay lafiny izay dia tena marina ny azy. Ahoana ary no hampanekena azy ireo fa fifidianana tsy misy an-dravalo no hatao nefa Ravalo no anisan'ny fototry ny olana teto. Tsotra ihany: avelao izy hody dia aleo ny fifidianana no hitsara azy; mino aho fa sy afaka ny hidrikina intsony ireo zanaky Dada ireo fa hanaiky mora. Raha tsy izany dia hitohy foana ny crise

  • #3

    Dénise Rabe (jeudi, 12 août 2010 16:06)

    Dia potika tanteraka ny ho avy politikan'ireto trois mouvances ireto e! Tena very hasina izy ireo satria tena fitiavan-tena no mibaiko ny hetsika rehetra ataony!
    Isaorana etoana ireo antoko 87 nanohana ny antson'ny Filoha ambony Andry Rajoelina! Nody ventiny ny rano nantsakaina, vita ny fifanarahana, ho avy ny fifidiana ho fampandrosoana an'i Gasikara! Ho hitan'ny havany eo amin'izay ireto trois mouvances tsy haninon-tsy haninona ireto!

  • #4

    rajery (jeudi, 12 août 2010 17:22)

    Ilay fifidianana ihany no vaha olana fa izay tsy te hanao fifidianana avelao hiahaka eo e!Na kosometa araka ny lazain'ny lahatsoratra aza no hanaovana azy dia avelao hiroso ny fifidianana,rehefa tonga eo ny filoha lanim-bahoaka afaka mihenjana mafimafy kokoa noho izao fa ny Malagasy mila henjanina fa mafy loha.

  • #5

    tsy aritra (jeudi, 12 août 2010 18:18)

    Aiza ilay tenin'i Rajoelina tany Mahajanga hoe"tsy maintsy faranana amin'ity taona 2010 ity ny tetezamita fa tsy azo taritina lava loatra"?Ny hanalava azy anefa no tena tanjona hihinanana volam-bahoaka sy hizarazarana volam-bahoaka etsy sy eroa....Eisy e le alina e!!!!

  • #6

    Dénise Rabe (jeudi, 12 août 2010 20:17)

    Izay no maha demokraty an'i Andry kely mahavita azy ry tsy aritra a! Na dia efa niteny aza izy hoe hatramin'ny faran'ny taona ny tetezamita dia nandefitra izy satria tsy izay no hevitry ny antoko miisa 87. Noho izany dia mbola manana enim-bolana izy haha Filoha ambony azy amin'ny 2011. Raha manao sabotazy indray nefa ireo tsy maty voalavo ankibo ka hanao izay tsy hahatanteraka ny fifidianana dia tsarovy fa mbola hihemotra indray io! Ka hoy aho aminareo TIM sy GTT hoe: "mba hendry amin'izay e!"

  • #7

    sareraka (dimanche, 15 août 2010 11:10)

    Demokraty avy aiza ity Andry kelinao e???F'angaha ny olona tsy misy hazondamosina no atao hoe demokraty?Hita fa mpisolelaka sy mpila ranondranony amin'izao fikambanana sy antoko politika tsy mankaiza akory izao koa hoe demokraty a demokraty,raha mahay mifampiraharaha amin'i Ravalo io Andry io dia tena mba demokraty.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra