jeu.

12

août

2010

Hamono tena fanindroany ny FAT ?

Hanana ny tantarany indray ny resaka sonia. Hitarika adi-hevitra mafotaka vaovao indray izy ity. Na inona na inona vontoatin’izay ho soniavina dia efa azo antoka fa samy mijery akaiky ny mety ho tombony ho azy tsirairay ireo antoko mpanao sonia. Nandritra ny 5 volana voalohany nitantanan’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teto dia niezaka hatrany nitady vaha-olana teto amin’ny sehatra anatiny ny fitondrana. Efa nisy ny dingana nifamorivoriana teny amin’ny tranoben’ny kaoferansa teny ivato teny, kanefa dia voatery niakatra an-databatra niaraka tamin’ireo filoha niongana ny mpitarika ny FAT Rajoelina Andry. Nosoniavina fa hitondrana ny tetezamita mandritra ny 15 volana ny sata voasonia teo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena......

Io ilay Dinan’i Maputo, nitarika ny famonoana ny tetezamita avo. Noravàna tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana izay nankatoavin’ny HCC teny Ambohidahy ilay FAT voalohany. Nihodinkodina teo amin’ny resaka governemanta ho amin’ny fiaraha-mitantana ny ady hevitra nandritra ny volana maromaro. Voatery noravàna indray ny tetezamita notarihan’i Andry rehefa nifandrohitana ny fahefana sy ny toerana maromaro, ary dia nanangana FAT vaovao (ilay faharoa) indray ny mpitarika ny tolom-bahoaka, ka nankatoavin’ny HCC ny didy hitsivolana hitampikiran’ny fijoroan’ny “fahefana avon’ny tetezamita miroso amin’ny fananganana ny repoblika faha-efatra”. Niova ny governemanta sy ny Praiminisitra, najoro ny rafitra mahaleo tena mikarakara ny fifidianana, ny rafitra fakankevitra ho amin’ny fampijoroana lalampanorenana vaovao, tsy mba nokitihina kosa ny mpikambana tao amin’ny HAT tetsy Anosy sy ny mpikambana tao amin’ny HCC teny Ambohidahy, na dia banga aza ny toerana ao, sady tsy mifanitsy koa amin’ilay didy hitsivolana nananganana ny FAT faharoa. Momba ny daty hanatanterahana ny fifidianana sy fomba hitantanana ny tetezamita indray ankehitriny no hitodihan’ireo mpanao politika mpanao sonia. Amin’ny maha-mpitarika ny FAT faharoa azy ve no hanaovan’Andriamatoa Rajoelina Andry ny sonia ataony? Sa amin’ny maha-mpanao pol i t ik a malagasy azy? Raha vita soa amantsara io sonia io (mbola tsy fantatra hatramin’izao fotoana hanoratana izao) dia mazava izany fa hamono tena fanindroany indray ny FAT. Fa iza indray no fahefana hankatoa ny fampijoroana ny fitondrana tetezamita hiseho eo? Aiza indray ny HCC ? Na tsy miova aza ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny vokatr’io sonia io, dia tsy ampy haha-ara-dalàna ny daty rehetra ho tondroina sy ireo fanapahan- kevitra rehetra raha mbola ilay HCC nankatoa ny FAT faharoa no hamoaka ny fankatoavana ny didy rehetra eo. Na ny lalampanorenan’ny repoblika fahatelo dia tsy fantatra mazava intsony na mbola manan-kery, na efa maty tamin’ny fananganana ny dinan’i Maputo. Ary raha mandamoka ny fanaovana ny sonia dia hijoro ihany izany ny FAT faharoa fa saingy marary sy mikotringa hatrany. Miandry isika rehetra na hiroso na hihemotra. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    beloha (jeudi, 12 août 2010 10:25)

    hatramon'izay noaonako aho tsy nahota zavatra poak'aty ohatra oty manjp antsika ity

  • #2

    Voromaherin'Ankaratra (jeudi, 12 août 2010 11:03)


    Mba jero ito fa raha mioty izao ataon'ny fat izao de ho toa ito no hiseo eto amintsika
    http://www.youtube.com/watch?v=wcVvyhgu_2M&feature=player_embedded

  • #3

    Zo R. (jeudi, 12 août 2010 11:53)

    Fa inona no tena izy e: ny CNOSC ve, miaraka amin'ilay hoe ray aman-dreny mijoro no (izay mampisalasala ny aminy)no mikarakara ny fomba hivoahana amin'ity crise ity? sa inona indray ilay hoe fifanarahana eny Ivato? Ary toa miditra antsehatra indray ingahy TGV nefa nilaza fa ho ray aman-dreny? J'ai l'impression qu'on nous pour des cons.

  • #4

    Dénise Rabe (jeudi, 12 août 2010 16:07)

    Rajoelina:OK
    Valomanana: KO

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra