jeu.

12

août

2010

Fihaonana teny Ivato: Lalan-kitan-kisoa…

Inona indray no manaraka ? Vita omaly teny amin’ilay foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena tetsy Ivato (CCI) indray izany ny fihaonana teo amin’ireo antoko politika 55 nikaon-doha namolavola ilay « fifanarahana politika ivoahana amin’ny krizy » tetsy Ambohidahy sy ny antoko politika hafa avy amin’ny FAT notarihin’ingahy Andry Rajoelina filohan’izy ireo. Tsiahivina fa fanohizana ny fihaonan’izy ireo teny Mavoloha ny zoma lasa teo ity fikaonan-doha eny Ivato ity, satria raha tokony ho efa nosoniavin’ireo namolavola azy ilay « fifanarahana politika » dia tsy tanteraka izany, satria manana izay heveriny koa ny FAT sy ny filohany, ary dia izao notohizana teny Ivato izao. Nametraka ny fepetrany koa mantsy ingahy Andry Rajoelina, ny amin’ny tokony handinihana miaraka aminy sy ireo mpanohana azy akaiky ihany koa ny datim-pifidianana hirosoana amin’ny Repoblika faha-efatra, vao hijery izay hanitsiana na hanovana ilay « fifanarahana politika ».......

Efa voaozona ? Dia samy miandry izay ho « fifanarahana politika eken’ny filohan’ny FAT » izany izao izay rehetra miombon-kevitra aminy fa raha ny fizotran’ny adihevitra teny amin’ny CCI dia tsapa ho nandaniampotoana lava ny famaritana ny datim-pifidianana, raha tsy voaresaka firy ny mikasika ilay « fifanarahana politika » izay anisan’ny antony lehibe nahatonga ny fihaonan’ireo mpandray anjara teny. Tsy maintsy nisy vola anefa nikarakarana an’iny. Fa vola avy aiza ? Roa andro be izao no nikaonandoha hamaritra datim-pifidianana ka tapak’ireo vondrona “mpanao politika” tamin’izany fa : ny 17 novambra 2010 no hanaovana ny fitsapan-kevibahoaka momba ny lalampanorenana vaovao ; mialoha izany kosa dia atao ny fihaonambem-pirenena ny 30 aogositra ka hatramin’ny 2 septambra 2010. Rehefa niadian-kevitra mafy kosa dia fantatra fa ny fifidianana filohan’ny Repoblika hatao ny1 jona 2011 ny fihodinana voalohany, ary ny 13 aprily 2011 mialoha izany ny fifidianana solombavambahoaka. Asa na hotanteraka indray izay tinapaka tao fa raha ny hita hatrizay aloha dia tsy mbola nisy fifidianana raikitra teto. Koa sao dia io toerana CCI Ivato io no efa voaozona taorian’ny tsy nahatanterahan’ny fivoriana an-tampon’ny Vondrona Afrikana , tokony ho natao tamin’ny volana jolay 2009 saingy niseho ny fanonganam-panjakana teto, ary izay notapahina rehetra tao taorian’io dia mandamoka avokoa ? Dia vaka ny saina ar y lasa ny eritreritra hoe : toa tsy mahita lalan-kivoahana intsony ireto mpitondra sy mpanao politika mahefa ankehitriny ireto, fa toa ny lalan-tsarotra nizorany omaly ka efa tsy nahatafavoaka azy ihany no mbola anaovany tampody miverina anaovany tsy ombialoha indray. Io fanaovana fifidianana haingana araka izay azo atao io mantsy hono amin-dry zareo, no lalan-kivoahana amin’ny krizy politika ary azo anantenana ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hatreto. Tena izany tokoa ve ? Moa tsy efa nanondro ny datin’ny 20 martsa 2010 hanaovana fifidianana « antenimierampanorenana » ingahy Andry Rajoelina rehefa tsy nankato ny fifanarahan’i Maputo ary nandrava izany samirer y tamin’ny volana desambra 2009 ? Dia nahemotra ho tany amin’ny volana mey 2010 indray io fifidianana io taorian’ny fikaonan-doha teny Ivato notarihin’ny Mediatora sy ny « teny ifampierana ». Dia nasainy namoaka daty indray ny CENI, ary nilaza fa ny 12 aogositra (androany) no hanaovana fitsapan-kevibahoaka, ary efa nivoaka mihitsy ny didim-panjakana niantsoana ny mpifidy handatsa- bato tamin’izany. Mbola ilaina ve ireto CENI sy ny CCC ar ny ray aman-dreny tailana… azafady, fa ray amandreny mijoro ireto, sa efa vitan’ingahy Andry Rajoelina sy ny mpanao politika milaza fa mahefa e ? Rakoto

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    Mpandranto (jeudi, 12 août 2010 18:36)

    F'angaha tsy vitaina amin'ity taona 2010 ity araka ny fanambarana miezinezina nataon-dRajoelina tany Mahajanga ny tetezamita e???Dia tena kilalao tokoa sisa ilay raharaham-pirenena amin'ireto mpitondra jiolahim-boto ireto an!!!!Dia tonga indray ny 1 jiona 2011 dia amin'ny avril 2012 ndray sa tsy izay?Film efa nande io e...tsy mahagaga fa izay ahalava ny tetezamita no tanjona fa tsy ny tombotsoam-bahoaka.

  • #2

    Dénise Rabe (jeudi, 12 août 2010 20:19)

    Ka rehefa tsy faly leisy ialahy isany ry GGT sy TIM dia mitomania a!

  • #3

    zanaky Ra Valo (mercredi, 18 août 2010 06:25)

    ty tena manao fikan-jaza mintsy.ty zao no be konetaka eo ,fafao@zay ny ranomaso ry denise rabe a.aza manao saim-poza intsony.dada zao efa ho avy

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra