mer.
11
août
2010
Nahavariana sy nahavalalanina ny nahita sy nandre ny resaka fohifohy nataon’ny filohan’ny antoko Liaraike, Soja Jean André na Kaleta. Tsy niala tamin’ny nampiavaka azy hatrizay izy dia ny fiteny mahitsy sady mbola hita teny ihany ilay toetrany tsy mahariper y sy mpivadibadik a palitao. Ts ipy teny ho an’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita no nisongadina tamin’io resaka io. Nahitsy tokoa ny teniny raha nilaza sy nanakiana fa Ingahy Ravalo no nanao ny nataony kanefa izy ireo, izay olom-boafidy satria senatera voafidim-bahoaka teo aloha izy, no nahantona. Narahiny fanontaniana tsotra sady mazava izany hoe : « iza no mpahay lalana namolavola an’ilay tovana napetraka teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana nampihantona ireo andrimpanjakana mpanao lalàna ka nijoroan’izao fitondrana tsy misy afa-tsy ny fahefana avon’ny tetezamita sy ny governemanta izao ary tsy nahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena.......
Fa ny tena nahavalalanina dia ny nanohizany ny resany fa izay rehetra ataon’ny filohan’ny FAT izay efa napetraka ho filohan’ny repoblika, izany hoe filoha dia eken’izy ireo sy ankatoavin’izy ireo antsakany sy andavany. Oui M’se izany. Mipetraka ny fanontaniana : f ’angaha Ingahy Andr y Rajoelina efa filohan’ny repoblika? Mahalala izay zavatra teneniny ve ity senatera teo aloha ity? Koa rehefa izy no manaiky amin’ny maha olomboafidy azy, tsy efa naman’ny eken’ireo rehetra nifidy azy ve izany? Sa anarana sy toerana ary voninahitra fotsiny ve izany voafidim-bahoaka izany? Tsy mahagaga fa tsy hatramin’izay ka hatramin’izao dia tsy misy tonga mitsidika vahoaka sy mampanantena zavatra tsara ho azy ireo raha tsy amin’ny fotoanan’ny propagandy. Koa omen-tsiny ve ny vahoaka tonga saina raha haminavina sahady izay hiseho aoriana kely ao, indrindra amin’izao hazakazaka lehibe sady goavana ho any amin’ny fifidianana hiampitana any amin’ny repoblika fahefatra izao.
mr Kaleta dia olona hafahafa. mbetika Arema, vetivety indray dia Tim, Liaraika hono izy izao e!
sahiny no manonona imasom-bahoaka fa filoham-pirenena i Rajoelina. Hampianaro ny ankizy. Aleo tsy miteny r'ingahy ity toy izay mampihomehy fotsiny ah.
