mer.
11
août
2010
« Atelier politique » sy fanomezan-tsiny no betsaka. I zany no andanian’ i reo mpikambana sy mpitondra ao amin’ny HAT ny fotoana maha eo amin’ny fitondrana azy, 24 volana no fotoana hananany ary efa kely sisa izany, tsy misy hatreto ny zava bita, fa fampanantenana no atao etsy sy eroa. Fa hitondra antsika hiampita ho aiza ary izany ? I ty kr izy i ty no kr iz y lava indrindra teto amin’ny f i r e n e n a h a t r ami n’ n y taona 1991. Efa tapitra iny ny taona 2009 izay tena nampamaivay ny korontana, toa milamindamin-dratsy anefa ny firenena amin’izao, efa misasaka koa amin’izao ny taona 2010. Inona no zava-bita tao anatin’izay ?.....
Marihana fa 24 volana no nomen’ny t ao amin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenena (HCC) hanaovana ny tetezamita, izany hoe tokony ho vita ao anatin’izay fotoana izay ihany koa ny fanomanana ny fifidianana amin’ny repoblika faha efatra. Raha manao jery todika amin’ny fo tsy miangatra anefa dia tsy misy ny zava-bita, ny fanomezantsiny ireo mpitondra teo aloha sy ny fianakaviambe iraisampirenena no handaniana ny fotoana sy ny andro, hita sy tsikaritra izany isaky ny misy hirika kely hahafahana manao an’izany any amin’ny gazety sy haino aman-jery maro samihafa. Tsy izany ihany, fa anisany andaniam-potoana ihany koa ny fanaovana ireo karazana « atelier politique » maro samihafa, ohatra akaiky iny dinika santatra teo iny, ambara ombieny ombieny mantsy ny fanaovana izany no mety ahitana vahaolana haingana amin’izao krizy lalovan’ny firenena izao, izay tokoa aloha ny fahitan’ny ao amin’ny HAT azy saingy inona no valiny, toa ny fotoana sy ny vola fotsiny no lany. Eny e ! raha ny marina dia tsy ny firenena irery amin’izao no mandalo krizy, fa anisany tena lasibatra ihany koa amin’izao ireo olona izay efa tsy an’asa miisa 8 tapitrisa eo ho eo, raha tsy efa nitombo indray izany tato ho ato vokatry ny krizy. Maro ireo voafitaka vokatr’izany, satria dia maro ireo nahazo toky teo amin’ny k ianjan’ny 13 May, fa hijery manokana ny fiainan’ireo olona sahirana ara‑pivelomana ny mpitondra ao amin’ny HAT rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Mihodina anefa ny volana lasa iny ny taona iray, inona no vita ? Toa marina ilay filazana sasany fa kabary no betsaka, ary efa manangasanga ny fanaovana ny fampielezankevitra isaky ny faritra izay aleha ho an’ireo mpitondra ireo. Dia milomano tanteraka ao anaty fahasairanana ny vahoaka, ireo mpitondra anefa toa zary mampanantena ny tsy misy, maro mantsy ireo fampanantenana izay atao, hatramin’izao anefa efa lasa ny 16 volana, ary valo (8) volana sisa, dia inona no vita ? Dia miandry ny rehetra e ! miandry ireo fampanantenana natao nandritra izay fotoana nitondrana izay, na dia efa tokony hifarana aza izany, raha tsy misy indray ny fampitomboana ny fotoana hitondrana eny an-dalana eny.
Miandry ny tsy misy na tsy hisy ianareo raha izany fampanantenana izany no resahina.Tsy vao ity tetezamita ity anie no nampanantena fiovana sy fanatsarana fiainam-bahoaka izany fa na ny tamin'ny 1991 koa aza(ry Ndrema e)nefa inona no vokany avy eo....fidanganan'ny vidim-piainana nohon'ny fihenandanja ny vola Malagasy.Ny politika eto Madagasikara ry vahoaka dia tsy politika fampandrosoana ny vahoaka izany fa politikan'ny seza a,mahazo seza dia mamoki-tena dia rehefa voky manome tsiny amin'izay....Mampalahelo fa dia mahaiza mamindra e!!!!
