mer.

11

août

2010

Adalan’ny tena ka tafian-damba

« Adalan’ny tena ka tafian-damba fa adalan’olona ka akoraina », hoy ny Ntaolo taloha, izay fahendrena nentina nilazana fa na inona na inona manjo ny havanao na namanao dia anao izay, hihafiana, fa raha an’olona dia tsy raharahiana sady haratsiana. Dia gaga isika hoe inona indray no hidiran’izany etoana ? Hiresaka ny asa fanaovan-gazety sy ny manodidina azy miampy ny tontolon’ny fanaovana politika isika. Na izany aza dia hiezaka ny tsy hitonona anaran’olona na orinasa na sererasera f’aleo ny tantara no hitsara. Zavatra roa toa mitovy nefa toa mifanohitra no hanehoana izany. Marihina dieny ety am-piandohana aloha fa nianatra ary mahafehy tsara ny asany ireo mpanao gazety ireo, na farafaharatsiny ny antsasa-manilan’izy ireo. Mazava ho azy fa mahafehy tsara ny lalana mifehy sy ny etika mbamin’ny deontolojia momba izany izy ireo. Mahavariana sy mahavalalanina anefa ny nahita sy nandre ary namaky fa toa tsy diso mihitsy ireo mpanao gazety avy tamina gazety an-tsoratra iray na dia nihoatra ny fefy sy ny nety tokony ho nataony aza izy ireo tamina lahatsoratra iray. Toa ilay mpitory indray no notsongolohina sy narahina maso akaiky ary nanaramana mpitsongo dia ka fantatra hatrany anaty vilany ka hatramin’ny isan’ny dingana vitany isan’andro isan’alina........

Ary efa nilaza ho vonona ho any am-ponja izy ireo, satria izay ,hono, no tanjon’ilay mpitory. Raha ny fanarahana azy akaiky dia toy ny tsy nanao n’inon’inona ireo namana mpanao gazety fa toa ilay mpitory no nila vaniny sady tsy mikendry afa-tsy ny fanagadrana azy ireo. Etsy andaniny anefa dia efa ho telo volana mahery izay no nafindra lasy eny am-ponja ireo namana mpanao gazety sy teknisianina ana onjam-peo iray izay tsy nanao afa-tsy ny fampitana mivantana trangana hetsika tato anatin’izao krizin’ny taona 2009-2010 izao, kanefa notafihina teny amin’ny toeram-piasany sady nogadraina. Tsy nisy tohiny intsony moa iny raharaha iny fa dia miandry ny mana sy mesia avy any an-danitra izy ireo mba hivoahany an‑kalalahana hiaina toy ny olona afaka rehetra ka hanatanteraka ny adidy aman’andrikitra eo anivon’ny ankohonany sy ny fiaakaviany ary ny fiaraha-monina sy ny firenena misy azy. Tsy hay lazaina intsony etsy andanin’izay ny endrika hadalana hisehoan’ireo mpanao politika malagasy, izay toa tsinjo sahady fa tsy te hahalala ny fahorian’ny vahoaka fa ny any am-paosy sy ny seza amam-boninahitra ihany aloha. Sa ve voafitaka izy ireny ka tsy mahalala akory ny lalana nitondrana azy ? « Ataovy toy ny voankazo an’ala ka ny mamy atelomy ary ny mangidy aloavy », hoy ihany ny Ntaolo.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra