mar.

10

août

2010

Vehivavy mijery filma X: Ho famalifaliana ny lahy

Ny lehilahy no malaza ho fatra-pankafy mijery filma X araka ny resaka fandre. Tsy mitombina anefa izany raha ny navoakan’ity fanadihadiana iray ity, indrindra ho an-dry zareo Frantsay. Araho. Maherin’ny 43%-n’ny lehilahy latsaky ny 35 taona no efa nijery filma X indray mandeha isam-bolana raha kely indrindra. Mbola ny lehilahy aloha no maro an’isa indrindra mijery azy io ho an’ireo 20 ka hatramin’ny 30 taona. Mandray anjara amin’ny fijerena filma X ihany koa ny vehivavy ho famalifaliana ny vadiny sy hahafantarany zavatra vaovao tokony hanomezana fahafinaretana azy. Voalaza ihany koa fa ny olona miaina fitiavana miaraka amin’olona hafa no tena mazoto mijery filma X noho ny mpitovo, tsy manana olon-tiana. Ny 57%-n’ny mpivady frantsay no efa niaraka nijery filma X ary milaza fa tena mankafy izany noho ny mijery samirery. Manana ny lanjany ao anatin’ny tokantrano frantsay ny filma X. Mampivelatra kokoa ny fiarahan’ny mpivady, hono izy no sady mamelombelona ny nofinofy isan-karazany arapananahana. Ireo mpivady lanaka, tsy mahita zava-baovao momba io tontolo io no tena mankafy mijery filma X. Ho antsika eto Madagasikara dia miparitaka eny an-tsena rehetra eny ireny filma X ireny. Tsy sarotiny loatra ny mpivarotra amin’ny hoe ampy taona sa tsia ny olona mividy azy. Misy taonany avokoa anefa ny zavatra rehetra. Ny zatovo sy ny olon-dehibe ihany aloha no tokony hijery filma X.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra