mar.

10

août

2010

Ralison Jaona: Miezaka mitady vahaolana ny TIM

Atoa Ralison Jaona, Filankevi- paritra Analamanga, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) nitondra ny fijeriny ny raharahampirenena ankehitriny. Mahabe resaka tatao ho ato, ny momba ny Antoko TIM sy ny fandraisany anjara amin’ny fivorivoriana etsy sy eroa, ary anisan’ny nankato ny hihaona tamin’ny Andry Rajoelina teny Mavoloha ny zoma lasa teo. Mbola vonona hihaona sy hanao sonia izay mety ho fifanarahana hiantsoany ny mpanao politika etsy amin’ny CCI ivato omaly tolakandro. Tsy mazava io fihetsiky ny TIM eo anatrehan’ny fikatsaham- bahaolana ivoahana amin’ny Krizy politika..........

Ahoana ny hevitrao ?

R.J. : Ny antoko TIM dia manana ny rafitra mampijoro azy, tahaka ny antoko rehetra. Ny kongresy nataon’ny antoko no namaritra an’io. Mazava ny voalaza, fa ny birao politikan’ny antoko dia manana andraikitra feno ao anatin’izany antoko izany. Ary izay no mahatonga ny antoko TIM mandray anjara, amin’ny alalan’ireo birao politikany, isan’izany Atoa Raharinaivo Andrianantandro, mitondra ny hevitry ny antoko amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena. Noho izany, ny laharampahamehana dia ny famoahana ny firenena ao anatin’ny krizy, ka izay fomba rehetra na fifampidinihana azo atao amin’izany famahana ny krizy izany dia handraisan’ny TIM anjara avokoa.

B. V. : Re araka ny nambaran’ny filohan’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana fa mandeha amin’ny anaran’ny tenany , Atoa Raharinaivo A. fa tsy misy fanomezan-dalana amin’atoa Ravalomanana Marc, raha niatrika iny fikaonan-doha iny . Ahoana ny momba izay ?

R.J.: Mazava ny ambarako fa ny antoko TIM no resahina fa tsy ankolafin-kery. Tsy manana fahefana hibaiko na hanala ny olona ao anatin’ny antoko TIM ny filohan’ny delegasionan’ny ankolafinkery Ravalomanana, na ireo antokon’olona vitsy ao anatin’izany ankolafy izany. Aoka tsy ho variana amin’ny olana madinidinika ao anatiny isika, fa ny tanjona nilofosana tao anatin’izay 16 volana izay dia ny famerenana ny ara-dalàna eto amin’ny firenena, ary ny famahana izao krizy mianjady amin’ny firenena izao. Izay ihany no tarigretra tokana imasoan’ny TIM, amin’izao fotoana.

B.V.: Dia hanaiky izay soso-kevitra tapaka ka hosoniavin’ireo mpanao politika hihaona amin’I Andry Rajoelinaamin’ny alarobia, momba ny famaritana ny datim-pifidianana ve izany ny TIM ?

R.J.: Ny Tim dia mandray anjara feno ao anatin’io fifampidinihana io, ary mbola mitohy amin’izao fotoana izao ny dinika. Ary fantatsika rehetra fa tsy maintsy fifidianana nohihafaran’izao krizy izao. Noho izany, dia vonona ary manatanteraka izay hevitra tapaky ny rehetra ny TIM.

B.V.: Miresaka fifidianana ianao, azonao antoka ve, fa ho marina sy mangaraharaha ary tsy hisy fandavana sy korontana ny vokatra raha ny FAT ankehitriny no mikarakara sy mitantana azy hatramin’ny farany ?

R.J.: Anisan’ny nodinihan’nireo vondrona politika rehetra nivory ny mikasika ny fifidianana. Ka mba tsy hiverenan’ny krizy dia fifidianana madio sy manara-penitra no hotanterahina, ary tsy hisy intsony ny fanoherana ny voka-pifidianana, ary eken’ny rehetra izay lany eo. Izay indrindra no nilazanay ny tokony hiaraha-mitantana ny tetezamita.

B.V.: Mino ve ianareo fa izay no ho fifanarahana hosoniavin’ny mpanao politika miaraka amin’I Andry Rajoelina amin’ny alarobia ho avy io ?

R.J.: Tsy resaka hoe mino na tsy mino, fa izay fifampidinihana amin’ny famahana ny krizy no ho soniavina, ary ao anatin’ny fitiavan-tanin-drazana marina noanaovana izany. Satria izay no andrasan’ny Malagasy rehetra amin’io, indrindra ny hifaranan’izao krizy politika izao.

B.V.: Tsy mahatsiaro tena ho kely hery ve ny TIM raha mitaha amin’ireo antoko samihafa efa naira- dalana tamin’I Andry Raoelina hatramin’izay ka miara-midinika aminy ankehitriny ?

R.J.: Ny fifidianana ihany no ahazoa-mandrefy ny herin’ny antoko. Ary ny TIM dia vonona hiatrika ny fifidianana rehetra, saingy ankehitriny ny mahamaika eto amin’ny firenena dia ny tombon-tsoampirenena. Dia ny famahana ny krizy politika.

B.V.: Re etsy sy eroa fa misy tambiny izao fihaonana amin-dRajoel ina Andry izao. Dia hanakalo ny ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny tsiasisa iray lovia ve ny antoko TIM nefa maro ny niaritra ny mafy vokatry ny zava-niseho teto ?

R.J.: Ny olona lasa aloha no enjehina. Tokana ihany no mibaiko, dia ny fitiavantanindrazana, ary tsara ny manamarika fa tsy maintsy mifampiresaka ny mpifanandrina raha hamaha olana. Raha nisy nizaka ny mafy tao anatin’izay tolona nandritra ny 16 volana izay, dia iray amin’ireny Atoa Raharinaivo Andrianantoandro. Masina ny tolona natao. Masina koa ny firenena. Noho izany, raha tena mpanao politika ianao manoloana izao fahoriana mihatra amin’ny vahoaka izao, dia manana adidy amin’ny fikatsahana vahaolana. Ary izay no atao. Ny mampalahelo, rehefa miresaka amin’ny mpifanandrina ianao, dia ambara foana fa voavidy na omena vola. Fifanaratsiana hatrany no atao. Saingy efa nambarako, fa tsy vahaolana ny fifanenjehana sy fifanaratsiana.

Nanangona : Rakoto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra