mar.

10

août

2010

Lalao tsy misy « Mpitsara »

‘Ndao amin’izay !, araka ny hira fanevan’ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena tokoa izy ity. ‘Ndao fotsiny aloha fa tsy ho hita eo ihany ve ny ho tohiny. Rehefa mitantana ny jamba dia any an-kady no hiafaràna, ary raha ny bemarenina no iresahana dia ny ataony ihany no ataony. Midika inona ho an’ity firenena ity tokoa ny fanondroana daty hanatanterahana ny lalao politika? Fa inona no taranja ilalaovana?, Aiza ny kianja? Ary iza no mpitsara tsy miangatra?…Raha mbola any ankibon’ny omby ireo dia aza milalao aloha fa ataovy tsara any amin’ny ” Espace” isan-karazany ny fanazaran-tena, ary ny any an-dapa sy ny tandapa rehetra dia ampitovio tsara aloha ny tetik’ady rehetra. Masaho tsara ny dinika, ny teny ieràna, ny kaoferansa! Mikoropaka indray ny mpanao politika malagasy. Tsy sanatria maminavina ratsy tsy akory fa tsikaritra ho maika loatra indray ny rehetra ka tsy mahatsinjo ny mety haterak’ity ronono mandroatra tampoka ity. Hiaraka hivorivory sy ho terena hivoaka amin’ny kizo nataony ireto mpanao politika ireto fa izany, hono, no fanavotana ireo vahoaka malagasy. Ireo vahoaka ireo no ho tereny hanao “mpitsara” ny lalao ataony.......

Azafady! Tsy mpitsara ny hagaigenareo akory ny valalabemifoha. Mpandray anjara izy. Antsointsoina hatrany ny mpifidy sy ny vahoaka tena mahatsiaro ny maha-olom-pirenena azy, rehefa hamorona fihetseham- bahoaka ny mpanao politika tsy niatrika fifidianana. F’ngaha moa ny mpifidy no olana teto e! f’angaha ireo mpifidy ireo nivaky loha tamin’izay lazaina fa “lalampanorenana” sy “lalampifidianana” mampifanditra anareo tany?. Mifanaraha aloha ianareo rehetra fa hanangana FIRENENA MALAGASY. Matanjaka ara-poto-pisiana ny antoko politika rehetra, mahay manaja izay bitika indrindra amin’ny fitsipi-dalao. Amin’izay fotoana izay, na rahoviana atao ny lalao, dia vonona daholo ny rehetra, na anaty orana mijojo, na mandritra ny hafanana migaingaina, na eny an-tanimbary, na koa eny amin’ny toerana manarapenitra. Aza midongy sy manao hata-piso rehefa resy fa kely hendaka matoa tsy ampy vovok’aina e! Raha mitetika ny hanao letrezana dia aza mbola miantso vahoaka akory fa maha-menatra ny tantara efa nizoran’ity Madagasikara ity. Tsy ny vahoaka tianareo hitsara ny adinareo akory no adala ka tsy hahalala ny vokatry ny hazo tsirairay eo anoloany. Raha lalao baolina kitra no hifanarahana fa hatao, dia aza mihevitra fa ny lalànan’ny basket sy ny rugby no hampiharina, ny mpikarakara akory tsy mpampihatra ny lalàna, ary ny mpanohana aoka tsy hanao angovo eny an-kianja. Izay no ilàna ny “mpitsara” ifanarahana fa hitantana ny lalao. Mety ho nofinofy daholo anefa ireo rehetra ireo raha tsy mifamela amin’ny ratsy vita sy natao tany aloha isika. Mbola hisy hifanindrona paingotra sy hifanao valifaty ihany eny an-kianja raha tsy hita mialoha fa : “Tsy nisy tsy diso, fa izay mivarilavo ihany no tena ifanondroan’ny rehetra molotra eto” e! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    Dénise Rabe (mardi, 10 août 2010 09:39)

    Faly daholo ny malagasy tamin'iny fanapahan-kevitry ny Filoha Andry Rajoelina nampivory sy hampivory ny mpanao politika iny! Afa-po ny rehetra satria tena ny tombotsoam-pirenena sy ny vahoaka tokoa no nodinihana sy nofakafakaina! Nitsipahana tanteraka ilay toe-tsaina lomorina fizaran-tseza fanaon'ny trois mouvances! Tena tsipaka am-bava-fo mihitsy no nahazo an-dRavalo vokatr'iny fahombiazana miezinezina azon'ny Filoha mamim-bahoaka Andry Rajoelina iny!

  • #2

    ramatahora (mardi, 10 août 2010 12:56)

    maninona anefa raha tsy mandainga radenise e! ho hitantsika eo ny tohiny raha ankatoaviny fianakaviambe iraisampirenena ty ataony dadanao radomelina ty,iza zao no te hifikitra mafy seza raha tsy io baboto io , kely sisa hoa!

  • #3

    Dénise Rabe (mardi, 10 août 2010 16:19)

    E! Mampahalahelo ahy ny toe-tsainareo Ramatahora, ianareo izay mivavaka mafy mba tsy ho tafavoaka amin'ny krizy Gasikara! Efa tena nilaozan'ny toetr'andro sady lomorina tokoa ny toe-tsaina tsy tia tanindrazana ao aminareo.
    Ny teninay vahoaka maro an'isa kosa dia ny hoe: "Misaotra anao ny vahoaka manontolo, ry Filoha mamim-bahoaka Rajoelina! Mankasitraka anao ny ambanilanitra! Ho ela velona sy ho ela fanapahana eo amin'ny fitondrana ianao, satria sady mahay sy hendry ianao no matotra!"

  • #4

    rajery (mardi, 10 août 2010)

    Ilay fifidianana filoha ihany no tanteraho fa izay no vahaolana ialana amin'izao krizy izao e!Ny ankoatr'izay blablabla-politika daholo.Ny olana koa anie miitatra ihany satria samy te ho filoha daholo na ny mpanao politika olona folo aza ny mpikambana ao aminy e,ataovy ny fifidianana hitsaran'ny vahoaka Malagasy izay safidiny.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra