sam.

07

août

2010

Tao anatin’ny 18 volana: Tsy nisy maty noana, fa maty voky no betsaka

Diso be ny filazana fa feno mahantra ny tanàna. Efa hatramin’izay no nisy ny mahantra, ary any amin’ny tany mandroso aza, dia ahitana ireny mpatory an-tsena sy mpangataka ireny avokoa. Mahaiza mandinika ny tantara, fa teo ampototr’i Jesosy mpamonjy ny very aza, nahitana mpangataka sy mahantra, koa mainka fa eto Madagasikara. Ianareo mpamendrofendro andro aman’alina milaza fa be no maty noana eto, mba afaka manome tarehi- marika momba izany ve ianareo ireo? Taiza no nahitana izany, ary zanak’iza sy fianakavian’iza? Raha nisy izany, dia firy isan’andro? Entina hankahalàna ity tetezamita ity kosa no hanambarana fa feno maty noana ao Madagasikara..........

Ny tsapa, dia maty voky no betsaka. Mba mahaiza anie mandinika isika e. Tao anatin’izay 18 volana nisian’ny tetezamita izay, firy ny mpanao politika lasa be hatoka? Firy ny trano be mijoalajoala tafajoro teto, ary fiara firy no navoaka sy hananan’ireny olona ireny? Samia manisa fa olona iray anie manana trano telo lehibe fara-fahakeliny e. Ny kaonty any amin’ny banky tsy lazaina intsony. Mety misy very asa, fa mba jereo kosa ny fikirizan’ny fitondrana hampakatra ny fari-piainan’ny hafa e. Misy mikarama aman’hetsiny maro anie amin’izao e. Hiantohana fiara sy trano ary mpanampy. Ka maty noana izany sa maty voky? Ny very asa anie ka mba efa mivarobarotra sy mitsindrontsindroka eny anaty fako eny dia efa basy e. Mba mitady lalankafa manao makorela fa tsy hiantehitra amin’ny zone e. Firy izy ireny no manao io asa ratsy amin’izao fotoana. Tsy maintsy mihinana sy mandoa hofan-trano ny tena koh. Ny katirami mpatory an-tsena aza tsy nandrenesana hoe maty noana, koa mainka fa olona efa manana traikefa amin’ny fanaovana zaitra sy akanjo ba. Izay no hilazana fa ho ela velona anie ny krizy, fa ao no tena ahitana lalambarotra hivelomana e. Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    Mpandranto (vendredi, 06 août 2010 19:47)

    Ka ny olona anie rehefa tojo fahasahiranana tsy miandry hoe io fa hitanao maty noana eo e!Fa ny ataony no ahitana hoe mikorosy izy izany na misondrotra na maty voky izy izany na maty noana.Miha mitombo ny trano sy fiara ho an'izay maty voky ary mivaro-tena sy mivarobarotra ho an'ny very asa,manendaka sy mangalatra kosa ho an'izay reraka...fa ny maty noana tsy afaka hanao ninoninona.

  • #2

    ramatahora (samedi, 07 août 2010 23:09)

    tsy mahagaga raha manana trano be sy fiara lafo vidy ny HAT mianakavy fa 100 000 000/mois ny karama , ny carburant etc momba iny olona iny iray volana 10000 euro vola vazaha na minitra frantsay aza tsy mikarama toy izany , de voky tokoa moa zany , ny mpiasa diplomatique no hiadivana karama mafy ery hampidinina , nefa ny fiainana tsy mitovy, mahay manilika ny fotsiny , tapitra fin décembre vola ao fanjakana source sur io , may ra HAT fa taperina haingana ny tetezamita, mbola ny vola napetraky Ravalo nandritra zay mandat rehetra zay no niainanatsika 18 volana, nefa lazaina fa hoe laniny Ravalo daholo ny vola malagasy zao izy mianakavy no mandany ny volampanjakana sy ny tahiry napetraky Dadanay tao ,tsy te ho maimbo fa tsy ho voaloha ny karama atsy ho atsy de atao amboletra fotsiny ny fifidianana, hafa foana RAVALO e tsy haahita olona toy ireny intsony isika tia ny firenana sy ny tanindrazana vive RAVALO!!!matesa HAT

  • #3

    RUZ 9 (vendredi, 01 octobre 2010 12:24)

    Mody fanina ianao ianao sa mahazo tombontsoa @ fahantram-bahoaka sy fahavoazan'ny firenena izao? Azaa manao resa-jaza fa sokafy ny maso hahita, ohatra ioray fotsiny ny very asa nandritra an'izay fotoana nitantanan' FAT izao, an' hetsiny izy ireo. nY olana hafa hafa koa betsaka ary tsy ho voatanisa eto.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra