sam.
07
août
2010
Tsy tantara mitohy intsony no hanasokajiana ny fihaonan’ireo mpanao politika nivorivory, fa fanembonana ny lasa sy hanimanina ny tongolon’i Egipta sisa. Tsy vaovao amin’ny sofina ny mandre fa ilaina ny dinika hamahana olana, kanefa mbola tsy mandingana ny tokonana akory ny sasany dia efa mihiaka ny « ny anay, ny anay ihany ». Ny hafa kosa dia mivazavaza fa raha ao ry Anona dia hitsoaka an-daharana izahay. Dia ho rava maina izany ny zavatra nilofosan’ireo vonon-kisedra ny olana mianjady amin’ny sarambaben’olona? Tamin’ny andron’i Ramose dia efa nitsiry ny hevitra fa hatao ny fivorian’ny mpanao politika rehetra mba handaminana ny tena fanaovana azy marina eto amin’ny firenena. Mbola tsy nisy krizy akory tamin’izany fa mba te handamina fotsiny, hono, ny mpitondra tamin’izany e! Dia ahoana no inoana fa anaty fifanjevoana toy izao no hisy zavatra ifanarahana? Olondehibe 4 mirahalahy fotsiny aza, miampy ny sehatra iraisampirenena, tsy nahavita namaha ny olana koa mainka fa 55 ampitomboina 3? Olona an-jatony indray anie izany e! Hazakazaka ambany farafara angamba no hiafaran’izy ity ka izay matanjaka sy manana ny hery ihany no tompon’ny teny farany. Ka tsy aleo ve rey olona miverina any an’ala? Repoblikan’ny mpanotrika akondro e!.........
Maro ny daty sy ny fomba samihafa nolazaina fa famahana izao kizo izao, kanefa nandamoaka avokoa. Dia tsy mety tonga saina ny ankamaroantsika fa mbola misisika hanao katro-doha amin’ny vato mandondona ihany. Tsy efa fotoana ve izao mba tsy hanaovana di-doha intsony? Manainga ny mpifidy malagasy handrotsaka vato, efa tany amin’ny volana martsa, kanefa tsy tanteraka izany hatramin’izao, dia tsy maintsy arahina ambokony hatrany ve izany tsy fahombiazana izany? Aza mihevitra ny vahoaka malagasy ho kentrina sy tsy mahataka-javatra kosa na izany aza e! Iza no afaka hilaza fa ny famelana ny “ankizy” iray hanao ny danin’ny kibony sy ny sitra-pony dia fitiavana azy ? Ary iza no tsy mahatsapa fa fanina tanteraka ny olompirenena noho ny sangodim-panina ataon’ny mpanao politika malagasy tsy mahita afa-tsy ny ambany orony? Olana ateraky ny fitiavan-kely sy ny tandrametaka no manjo ny firenena malagasy ankehitriny. Tsy ny manam-pahaizana sy ny olom-banona akory no tsy misy, fa isika mihitsy no nisafidy hanaraka ny zotran’ny fifanjevoan’ny bontolo sy ny beloha. Tsy hahita vaha-olana ho an’ity firenena ity izay rehetra mbola ho terem-panahy raha tsy sahy akory hanameloka ny tsy rariny sy ny tsy fahombiazana hita mivandravandra. Tsy ilàna tambitamby sy dongidongy ny fitantanan-draharaham-panjakana, tsy ilàna tsetsetra, tsy azo hanaovana tora-po…fa rehefa tsy mahomby dia manajà tena fa manorisory e! Sady tsy mahay tsinona no tsy menatra, fa manao tsianjery maimbo sy mamerim-bita fotsiny. Ony RAMBELO
Fitondrana jiolahim-boto no misy eto.Mpitondra be marenina sy mpangalatra.Mpanao politika mpiady tombotsoa ho an'ny tenany.Foloalindahy mpandray kolikoly.Avaram-pianarana tsy sahy mandray andraikitra fa be vava.Vahoaka donto fa manaiky izao tsy rariny rehetra izao.
Tadidio fa ny vahoaka no mitsara sy hiangonan'ny rihitra @farany dia izao koa misy ny mamendrofendro fa matahotra fifidianana ianareo DIA TENA TSORIKO MAZAVA FA TSY MISY MIFANKAATAHOTRA NY HOTSARAIN'NY VAHOAKA ETO fa ny rivotra ihainan'ny mpnao politika no tsy mazava ka eo no tena mbola mampikatso ny firenena hatreto ;satria aho gaga raha nahare ny filazan'ilay mpikambana FAT nanao valan-dresaka hoe tsy matahotra fifidianana hono izy FA VOTSORY ALOHA NY HELONY FA NY AN'NY HAFA AVELAO HO ANY(R8+gadra politika ) dia arosoy ny fifidianana dia gaga aho hoe:INONA ITY!!!!!fa finoana kristianina taiza koa no misy izany(satria l olona milaza ho kristianina)????Fa raha mbola izany no rivotra hihainana eto dia mbola lavitry ny kitay ny afo!!!!!
Efa nilaozan'ny toetr'andro mihitsy anie ry tantsaha itony e! Na ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny TIM aza anie dia niladilady teny Iavoloha niahaino ilay lazainareo hoe jiolahim-boto e! Tena taraiky mihitsy ianareo ry tantsaha a! Mba ovao main'izay re ny toe-tsaina e!
