ven.
06
août
2010
N i b e b a k a t e n y Ambohitsorohitra ireo TIM very seza. Io no hita tamin’ny gazety teto amintsika omaly. Ny fikaroham-baha-olana hivoahana amin’izao krizy izao no heno fa fototry ny dinika ? Tsy dia nanaitra ny maro, ny fahitana mpikambana ao amin’ny ankolafy telo mandeha an-tsokosoko manatona ny mpitondra amin’izao tetezamita izao. Ny avy eo amin’ny antoko TIM matetika no hita manao izany, ary tsapa fa nahazo lesona tamin’ny nataon’ingahy Alain Andriamiseza izy ireo, ary dia tohizany ato afara. Ny toerana no tena mahamaika ireto mpitolona niara-dalana tamin’i Dada ireto. Tsapa tokoa fa hatramin’izay tsy naha-teo ilay filoha mpanorina ny antoko TIM izay, dia samy manao izay ahitany ny mahasoa ny tenany ireto ankizy nobeazina tao. Tsy voatazona intsony ny foto-kevitra mifehy ny antoko. Tsy gaga isika raha niongana tamin’ny toerany ny filoha Ravalomanana, satria ireo mpikambana nantenaina hijoro hatramin’ny farany, io manao tanalahy isaky ny masoandro mihiratra io. Mihamaty ny hetsika politika etsy amin’ny Magro, saingy ny vahoaka kosa, dia mitazona hatramin’ny farany ny hametrahana ny ara-dalàna eto amin’ny firenena. Dia miavaka tokoa izao ny vary sy ny tsiparifary hoy ingahy Constant Raveloson, rehefa mandray fitenenana eny amin’io toerana mbola ahitana famoriam-bahoaka io isika. Mbola atao maha-taitra ve raha misy mpitolona hafa hivadika rahampitso ? Vainafo zanany
Ka mety ahavaha ny krizy ary ve ny fisian'ny TIM nivadika e?Zay zao ny olana fa tsy ny cinema politika fitadiavan-toerana akory.Tsy vao izao no nisy mpanao politika namadika palitao teto amin'ny Firenena ka atao mahagaga eto.Fa vahao ilay krizy e!
Ireny le @ antsoin’ny hiran’i Samoela hoe Very any inye ! Izay miala @ maro anie lanin’ny voay e!
Izay miaraka aminay tsy lanin’ny fouza sy ny voay.
