ven.

06

août

2010

Tanànan’ny trafika sy afera

Zary lasa tanànan’ny trafika sy afera i Madagasikara malala ankehitriny. Nanomboka ny krizin’ny taona 2009 izany. Ireny niaraha-nahita ireny ny trafikan’ireo entana norobaina nandritra ilay « alatsinainy mainty » iny. Namidy mora ny finday, « ordinateur portable », firavaka isan-karazany, kojakojan-dakozia sy ny maro hafa. Tsy nisy an-kanenjika fa dia nalalaka izany. Zovy koa no tsy nahatadidy ilay fandrobana sy famarotana an-tsokosoko ireo vary sy menaka an’ny orinasa Tiko, izay nisy tsy mbola voahodina sy tsy tokony hanina akory aza. Niakatra avoavo ny mari-pananan’ny afera. Tonga hatrany amin’ny hazo sarobidy izany. Anarana vitsivitsy no voatonona sy notononina ho mpanao aferana « bois de rose » ka tratra. Tsy ireo ihany anefa fa maro ireo mponina any ambanivohitra lavitra any miampy ireo mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny no mahalala tsara anarana maro hafa, saingy tsy afa-manoatra e !..........

Nirongatra izaitsizy ihany koa ny aferana dahalo mpanafika any ambanivohitra. Mizaka ny tsy eran’ny aina ireo tantsaha mpiompy sy mpamboly. Tsy afa-manoatra anefa fa na hatramin’ireo zandary aza anie tsy afa-manao n’inon’inona noho ny tsindry bokotra avy aty ambonimbony aty e ! Tsy voaisa intsony koa ny aferana vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana ary sakan-dalana. Saika isan’andro sy isan’alina vaky izao izany. Tsy misy azo atao sy tsy mbola nisy vokany ny ankamaroan’ireo fanadihadiana fa dia tsy misy afa-tsy ny hoe : « izay voa mangina e ! » Fa isan’ny trafika sy afera mandeha ihany koa tato ho ato ny fanafarana ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro. Tsy hita trasy intsony ireo menaka vita Malagasy sy ireo dibera Malagasy, fa nosoloina ireo menaka silamo sy dibera vazaha. Ny tena zava-baovao dia ny trafikana sigara vita sinoa izay tsy tena izy. Vitan-dry zareo hatramin’ireo sigara vita eto Madagasikara izay nahazatra an-dRamalagasy hatramin’izay ange sao tsy fantatrareo. Inona sisa ? Afera sy trafikana olona sisa dia tampina ny daomy e ! Sa… Liban koa efa izy…?

écrire commentaire

Commentaires: 5

  • #1

    Dénise Rabe (vendredi, 06 août 2010 09:19)

    Rehefa zohina akaiky anie ny tantaran'i Gasikara dia samy miaiky ny rehetra fa ingahy Ravalomanana no tena raiben'ny trafika sy ny afera e! Io no nahatonga ny vahoaka malagasy iray manontolo nanongana azy! Soa fa voaongana ilay iry, ka main'izao dia faly ny vahoaka tsy vaky volo satria ny politika entin'ny Filoha mamim-bahoaka Andry Rajoelina dia tena mahomby tokoa amin'ny famongorana ny trafika sy ny afera!

  • #2

    sareraka (vendredi, 06 août 2010 09:22)

    Tsy mahagaga raha toy izao ny zava-misy e!I Madagasikara anie izao mitovy amin'ny TANY TSY MISY FANJAKANA e!Tsy mahay ninoninona ny mpitondra mipetraka isan'ambaratongany eo no mahatonga izany.

  • #3

    zanak'i dada (vendredi, 06 août 2010 11:18)

    Ry Denise Rabe zany ngamba tsy dia maharaka vaovao an!
    ny fiteny malaza aty nge @zao dia hoe"izao no fananaraotana hanaovana afera",ka manao daholo ny ambony,ny antonony,ny sahirana,satria t@andron'iDada dia tan-dalana daholo ny MALAGASY e!ny olona tsy tan-dalana no faly @zao fitondrana izao!DADA o!modia re fa mijaly ny vahoaka e!

  • #4

    Dénise Rabe (vendredi, 06 août 2010 16:32)

    Eh! Andraso eo re Paoly ry zanak'i Dada a! Tsy ho tafaverina eto intsony i dada e! Raha mbola misisika ny hiverina aza izy dia tsy maninonana ka, efa midanadana ho azy manko ny varavaran'i Tsiafahy e! Mahereza be an!

  • #5

    rajery (samedi, 07 août 2010 14:10)

    Tokony mba ilay trafika na afera mampandroso vahoaka no ketrehina fa tsy trafika na afera mangalatra ohatr'izao misy izao.Ilay sehatra rehetra mintsy eto Madagasikara no efa mivaralila.Ny fanafodin'io dia ny fanaovana fifidianana filoha avy hatrany.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra