ven.

06

août

2010

NESORINA NY LIEN BASYVAVA.COM TAO AMIN'I MOOV

Hialànay tsiny amin'ireo mpanaraka tsy tapaka ny vaovao eto amin'ny Basyvava.com fa nofoanan’ny bologany Moov, isan’ny mahery eto amin’ny tanàna, ny adiresy ifandraisana amin’ny bologan’ny Basyvava.com (sy gazety iray mpiseho isan'andro), nanomboka omaly. Tapaka hatreo izany ny fifandraisany amin’ny mpanjifany, amin’izao andron’ny serasera azo eo no eo izao. Tapaka ihany koa ny fampahalalam-baovao entina hampandrosoana ny firenena amin’ny ankapobeny. Nazava ny fanazavan’ny tompon’andraikitra : « tsy maintsy natao izao, ary noho ny antony tsy miankina aminay. » Mahagaga ihany ! Na izany aza, isaorana manokana ny bologany Moov noho izay fandraisany andraikitra izay. Ho ela velona ny fampahalalam-baovao sy ny fahafahana miteny. Saingy mampahatsiahy ny nahazo ny gazety La Pravda, fony tamin’ny andron’ny Repoblika sosialista sovietika, izoa zava-mitranga eto amintsika izao.

écrire commentaire

Commentaires: 9

  • #1

    Dénise Rabe (samedi, 07 août 2010 06:24)

    Tena tsy nahaloa vola kosa angamba ry Basy Vava an! Efa miha ritra angaha ny saosin'ny dadanareo?

  • #2

    RaSarkozy (samedi, 07 août 2010 06:43)

    aza gaga hianareo ry basyvava fa i renimalala no tompon'ny ampahany betsaka amin'ny renivola miasa ao amin'ny sobika, kanefa hianareo tsy tia mainty an'i sans-qualite tgv!

    i denise rabe io angamba pute de luxe mankany ambohitsorohitra any: mbola ho lany ny volan'ny bois de rose fa aza dia matoky tena!

  • #3

    be loha (samedi, 07 août 2010 18:38)

    deniz a! aza de mitapitapty re! tsy misy olona mahalala ny marina sy afaka mitenny tsy miangatra intsony izany raha tsy omena vola avy amin'ny dada?
    hitako ihany hoe maivan-tsaina toa an-drajoel enaoooo

  • #4

    Moov (samedi, 07 août 2010 19:21)

    I Denise Rabé mpandray anjara matetika eto, manoratra zavtra tsy mandé amin'izay laoniny angamba no anisany nanosika an'i moov hanala an'i Basyvava sy tiatanindrazana teto.
    <Misaotra e!

  • #5

    Dénise Rabe (samedi, 07 août 2010 19:52)

    Tena lany saosy ry forongon'i Valomanana le aza!

  • #6

    ramatahora (samedi, 07 août 2010 22:58)

    raha ny volany Dada tsy ho ritra velively, ny fananany aza nafoiny ny vahoaka, ka reraka eo ianao radenise, andriamanitra tsy andrinareo andrinay foana ka amboary denizao ny toerana hipetrahana atsy ho atsy fa nga rehefa mangina sy tsy mihetsika ny vahoaka de midedaka hoe anay ny hery,sao lahy anenenanana e!!!!!!!!

  • #7

    ips (lundi, 09 août 2010 12:18)

    ka na ts misy lien d tonga eto fona zahay ry denizy a!

  • #8

    Dénise Rabe (lundi, 09 août 2010 16:00)

    Tena tonga niladilady nihaino ilay lazaina hoe mpanongam-panjakana ny TIM. Ny adala tokoa no tsy mba mahay miova hevitra! Ny mpitarika malaza iray ao amin'ny TIM aza dia tena mba nitehaka nirefodrefotra mihitsy rehefa avy nihaino ny kabarin'i Andry kely mahavita azy!

  • #9

    miharare (lundi, 09 août 2010 18:14)

    Aza mianona amin'izay moov fa tsy io ihany akory no reseau azo ampisaina. Hita zao fa mamaky foana ny olona amin'ny alalan'ny connection hafa fa tsy votery ho moov akory. Tohizo fa mahafifnaritra, satria ianareo mamela ny olona hanaposaka zay heviny ka tsy voatery hihaino feondakolosy tokana.Andron'ny fandrosoana ara teknolozia izao koa aza manaiky hototofan'olona amin'ny zavatra zay misy alternative hafa.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra