ven.

06

août

2010

Miara-komana, fa tsy miara-devona

Miara-komana, fa tsy miara-devona ! Ony RAMBELO Tsy mbola nisy mpanao politika tena afaka nitondra an’i Madagasikara teto amintsika hatramin’izao. Raha ny Repoblika telo nifandimby teto dia nentin’ny « olona kisendrasendra hatrany » ny fanjakana teto. Izany dia nanomboka tany amin’ilay repoblikan’ny taona 1958, ka hatramin’izao iainantsika izao. Raha ny antoko politika mijoro eto anefa dia an-jatony. Tsy nisy na iray aza tamin’ireo antoko marobe ireo mba afaka nitondra foto-kevitra tena naharesy lahatra ny tera-tany malagasy. Ny MDRM no nolazaina fa nikotrika ny raharaha 47. Io izany no antoko hitam-poko hitam-pirenena fa nitaky mivantana ny ho fahaleovantenan’i Madagasikara. Ny nahagaga dia antoko hafa no nitondra antsika taorian’ny « nanomezana » fahaleovantena, ary ireo mpikambana nahery fo tao amin’ny MDRM dia nirotsaka tao amin’ny governemanta afa-tsy ny dokotera Raseta. Teo no nanomboka i lay miarakomana…

Ny antoko AKFM izay nilaza fa mpanohitra mivantana ny fitondrana PSD tamin’izany dia nahagaga fa rehefa tojo fifidianana dia milaza indray fa niombonkevitra tamin’ny mpitondra tamin’izany hatrany amin’ny 80% indray. Tsy mahagaga raha nandresy tamin’ny isambato mazava ny antoko PSD kanefa dia nirodana ihany taona 1972. Tsy rototra intsony ny ankamaroantsika nandritra ny 16 taona raha niara-komana sy niara-nisaosy tao amin’ilay mandantehezana miaro ny tolom-piavotana ny mpanao politika mba afaka nijoro tamin’izany. Dia natanjaka be tsy nisy toa azy ny AREMA. Tsy miara-devona ny mpanao politika fa dia tavela irery sy niharitra ny tany efitra ny AREMA sy ny mpanaradia azy. “ Ento miakatra ity Firenena ity ”, hoy ny Hery velona sy ny FFKM, tamin’ny tolona nandrodanana ny mandan’i Jeriko, kanefa dia teo am-piandohana ihany dia efa samy hafa ny fomba fijery satria nisy ny Rasalama, Rabearivelo, Ralaimongo, koa tsy rototra intsony indray ny hafa rehefa niverina ilay iraikalahy taloha. Na dia nahazo tombony betsaka a z a ny ant enimi e r ampirenena tamin’izany dia tsy nahasakana akory ny “ empêchement ” satria maivana loatra ilay antoko UNDD. Nanaovana rodobe ny AREMA sy ny fanantenana vaovaony tato aoriana ka dia hita indray ny fitambatambarana mba hanosehana azy ireo. Niverina ihany koa ilay fiarahan-komana na dia efa nilaza aza ny mpitondra tamin’izany fa tsy baikoin’ny mpanao pol i t i k a . Niha nahazo vahana ny antokompanjakana ary norombahany manakaiky ny 100 % ny toeran’ny Antenimier a roa tonta tamin’ny taona 2007‑2008. Tsy dia nahagaga anefa raha nirodana indray noho ilay fihetsehambahoaka toa lasa fahazarana. Dia io isika mbola milona anaty krizy io satria miverina indray ny tantarantsika. Tsy mandroso tsy mihemotra fa mihodinkodina an-toerana. Matezà ny aina hanaraka ny tohiny, dia vinavinao ny mety hiseho. Tanànan’ny trafika sy afera Ikotomaditra Zary lasa tanànan’ny trafika sy afera i Madagasikara malala ankehitriny. Nanomboka ny krizin’ny taona 2009 izany. Ireny niaraha-nahita ireny ny trafikan’ireo entana norobaina nandritra ilay « alatsinainy mainty » iny. Namidy mora ny finday, « ordinateur portable », firavaka isan-karazany, kojakojan-dakozia sy ny maro hafa. Tsy nisy an-kanenjika fa dia nalalaka izany. Zovy koa no tsy nahatadidy ilay fandrobana sy famarotana an-tsokosoko ireo vary sy menaka an’ny orinasa Tiko, izay nisy tsy mbola voahodina sy tsy tokony hanina akory aza. Niakatra avoavo ny mari-pananan’ny afera. Tonga hatrany amin’ny hazo sarobidy izany. Anarana vitsivitsy no voatonona sy notononina ho mpanao aferana « bois de rose » ka tratra. Tsy ireo ihany anefa fa maro ireo mponina any ambanivohitra lavitra any miampy ireo mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny no mahalala tsara anarana maro hafa, saingy tsy afa-manoatra e ! Nirongatra izaitsizy ihany koa ny aferana dahalo mpanafika any ambanivohitra. Mizaka ny tsy eran’ny aina ireo tantsaha mpiompy sy mpamboly. Tsy afa-manoatra anefa fa na hatramin’ireo zandary aza anie tsy afa-manao n’inon’inona noho ny tsindry bokotra avy aty ambonimbony aty e ! Tsy voaisa intsony koa ny aferana vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana ary sakan-dalana. Saika isan’andro sy isan’alina vaky izao izany. Tsy misy azo atao sy tsy mbola nisy vokany ny ankamaroan’ireo fanadihadiana fa dia tsy misy afa-tsy ny hoe : « izay voa mangina e ! » Fa isan’ny trafika sy afera mandeha ihany koa tato ho ato ny fanafarana ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro. Tsy hita trasy intsony ireo menaka vita Malagasy sy ireo dibera Malagasy, fa nosoloina ireo menaka silamo sy dibera vazaha. Ny tena zava-baovao dia ny trafikana sigara vita sinoa izay tsy tena izy. Vitan-dry zareo hatramin’ireo sigara vita eto Madagasikara izay nahazatra an-dRamalagasy hatramin’izay ange sao tsy fantatrareo. Inona sisa ? Afera sy trafikana olona sisa dia tampina ny daomy e ! Sa… Liban koa efa izy

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    Dénise Rabe (vendredi, 06 août 2010 09:24)

    Olona iray ihany no afaka mitondra an'i Gasikara sy afaka hampandroso azy amin'ny lafiny rehetra ka hahasambatra ny ambanilanitra, tsy iza akory io olona io, fa ilay eken'ny malagasy rehetra sady mamim-bahoaka satria hendry sy matotra: ANDRY RAJOELINA.

  • #2

    kalasoa (vendredi, 06 août 2010 09:59)

    aza de mirediredy e! efa ho aty zao ve ry Denise Rabe de mbola lazaina fa miadana ny vahoaka a! izao no atao oe fanjakan baroa;ary iza ko no milaza fa mamimbahoaka rajoelina?mampiomehy

  • #3

    Dénise Rabe (vendredi, 06 août 2010 16:34)

    Ny an-dry kalasoa kosa dia tsy mba ny maso angamba no mijery ka!

  • #4

    sareraka (vendredi, 06 août 2010 18:01)

    Denise ndray efa tsy mahagaga intsony fa raha mbola eo i Andry kely dia ny mandoka sy mihoby izay ataony ihany no fantany.Sahala amin'ny soavaly asiana tapi-maso ny azy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra