ven.

06

août

2010

Firaisana ara-nofo eran-tany: 2778 isaky ny 5 s

Efa betsaka ihany izay resadresaka sy tsiambaratelo mahakasika ny fiainana arapananahana notanisaina teto izay. Mbola misy hafa indray ireto mameno ny banga. Fantaro ary fa misaintsaina momba ny firaisana ara-nofo isaky ny 52 segaondra, hono, ny lehilahy 18 ka hatramin’ny 30 taona amin’ny ankapobeny. Miisa 2778 eo isaky ny dimy segaondra ny firaisana ara-nofo eran-tany. Mandany 200 kaloria ny olona iray isaky ny manao firaisana ara-nofo. Ny vehivavy no malaza ho mpitabataba sy mpiteniteny mandritra iny fotoana iny noho ny lehilahy. Voalaza ihany koa fa efa nanao firaisana ara-nofo tamin’ny mpampianatra azy avokoa ny 40%-n’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony......

Ny 1,1 tapitrisan’ny lehilahy sy ny 800 000-n’ny vehivavy any Etazonia eo anelanelan’ny 18-24 taona no milaza ho tsy mbola nanao firaisana ara-nofo. Ny volana jona indray no volana malaza indrindra ho famoizana ny maha-virjiny, izay mety hisy ifandraisany amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana. Tamina fanadihadiana iray natao tany Grande Bretagne indray dia voalaza fa ny 80%- n’ny mpivady manao ban-tongotra rehefa manao firaisana ara-nofo no tonga amin’ny fahafinaretana faratampony, raha tsy misy afa-tsy ny 50% no miaina izany raha tsy misy ban-tongotra. Ny 48%-n’ny lehilahy Anglisy indray no renoky ny tory eo am-pitoerana eo mandritra ny fotoana fanaovana firaisana ara-nofo. Dia ahitana karazan-javatra maro tokoa eran-tany momba izay fiainana arapananahana izay, raha toy izany. Voka-panadihadiana fotsiny ihany anefa itony fa samy manana ny traikefany manokana ny olombelona tsirairay.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra