ven.
06
août
2010
Basy vava : Vita iny ny Dinika Santatra. Miroso amin’ny dingana hafa vaovao ny Fiarahamonim-pirenena sy ireo miaraka aminy. Inona no mbola mampisalasala anareo indrindra fa efa mitovitovy amin’ny zavatra tadiavinareo ny soso-kevitra nivoitra tao ?
F e t i s o n R a k o t o Andrianirina (FTA) : Tsy rehefa mifanaraka amin’ny zavatra takianay akory ny valin’ny Dinika Santatra dia hanaiky izany izahay. Misy fepetra tsy maintsy apetraka ho an’ity firenena ity fa tsy izay tiana foana akory no tsy maintsy tanterahina. Tsy nandray anjara izahay satria tsy niaraha-nanomana na ny fandrindrana na ny famaritana an’ireo mpandray anjara. Fa na dia izany aza, tsy hitondra antsika amin’ny fivoahana amin’izao krizy izao izay fifanarahana ateraky ny fivoriana sahala amin’ireny.........
Basy vava: Inona ny antony ?
FTA : Rehefa tsy hifanaraka amin’izay fanirian’ny mpitondra ankehitriny izany dia mazava ho azy fa dia tsy ho tanteraka raha tsy misy ny hery enti-mampihatra izany. Ny tsy fiandanian’ny Foloalindahy no lalana tsara hahatomombana ny fametrahana ny dinika tapaka rehetra. Mahay mifanaraka foana ange ny samy Malagasy fa ny finiavana hanaja izany no tsy nisy.
Basy vava : Tsy efa miray hina sy mitambatra kosa ireto Foloalindahy no mbola homena tsiny foana ?
FTA : Ara-tantara dia nanana ny anjara toerany ny Foloalindahy nandritra ireny hetsika tamin’ny 2009 ireny. Ankehitriny, dia mihevitra ireo manampahefana ambony miaramila fa izao fitondrana izao no tokony harahina sy handraisana baiko. Diso be izany satria fahefana tsy mbola mari-pototra io ary ilaina ny fankatoavana eo amin’ny samy Malagasy mba hisian’ny fifanajana. Ny filazana fa milamina ny Foloalindahy dia tsy mifanaraka amin’ny zavamisy. Atahorana aza ny fivakisan’izy ireo raha tsy mitandrina.
Basy vava : Fa misy inona no mahatonga izany ?
FTA : Mbola miandany amin’ny mpitondra ambony eo amin’ny Foloalindahy. Ny fanagadràna eny Tsiafahy ireo miaramila izay nanatanteraka baiko miaramila, ny fitifirana ny vahoaka maneho hevitra, ny fiarovana ny fitondrana avon’ny tetezamita dia anisan’ny porofo mitohaka amin’ny tendany manamarina an’izany. Marina fa baiko avy amin’ny mpitondra fanjakana no tokony hajaina sy hankatoavin’ny Foloalindahy. Fitondrana ara-dalàna no tokony hanaovana an’izany.
Basyvava : Fitondrana efa neken’ny Fitsarana Avon’ny Lalampanorenana (HCC) ny Fitondra Avon’ny Tetezamita no sady mahefa...
FTA : Azo ekena io fitondrana io raha toa ka misy ny fifanarahana mampanaiky azy. Rariny loatra raha izay. Saingy tsy mbola izay no hita fa nanendrin-tena ho mpitondra izy ireo. Noho izany, ilaina ny fanohizana ny fitadiavana ala-olana. Mba hahafahan’ny Foloalindahy mandray ny andraikitra sahaza ho azy ao anatin’izao krizy izao dia tsara raha toa manomana fihaonambe ry zareo hanatrehan’ny solontenan’izao ireo manerana ny Nosy, hanombohan’ny fifampihavanana eo amin’ny samy miaramila ka hivondronany ho hery tsy miandany, hampiharana izay fanapahan-kevitra iraisan’ny rehetra. Tsy mifanipaka amin’izay ezaka efa vita hatri’izay sy mbola tohizina hatramin’izao izany ! Liva
Zavatra iray ihany no ilaina e...vahaolana momba ny krizy fa tsy resabe ny samy mpanao politika.
Dia tena mirediredy mihitsy ity Koto Fatsora ity an!
