jeu.
05
août
2010
Izay hivoahana amin’ny krizy no maika. Io no antony hivorian’ny fiaraha-monina sivily sy ny antoko politika mahatratra 55 etsy amin’ny trano fisakafoana Ambohidahy. Ho vitaina anio ny fanaovan-tsonia eo amin’izy ireo. Tetezamita tena izy no masaka ao andohan’ny mpivory. Izay hivoahana amin’ny krizy ankehitriny no maika. Io tetezamita tena izy no heverina fa hamolavola ny lalankizorana any amin’ny repoblika faha-efatra. Izay no fivoriana miafina ao Ambohidahy, ary tsy mbola hay izay hiafaran’ny ady hevitra ao, izay ho soniavina anio. Fa ankoatra io, dia misy koa ny efa miketrika ny hametraka tetezamita bis. Hivondronan’ny olona avarapianarana, ary heno fa misy mpanao politika tafaroboka ao amin’io. Tsy mbola voavinavina izay hataon’izy ireo, fa efa andalam-pikasana hametraka rafitra vaovao eto amin’ny firenena izy ireo......
Ny avy ao amin’ny ankolafy telo, dia io tsy mitsahatra mamory vahoaka io, mba hialan’ity fitondrana ity eo amin’ny toerany, ary mbola mitaky ny hametrahana tetezamita tena izy. Ny vehivavy légaliste, dia nanambara fa ny fialan’ingahy Andry Rajoelina no vaha-olana, ary hirosoana any amin’ny fampihavanam-pirenena sy ny aministie faobe. Ramatoa Lalatiana Ravololomanana, dia tsy mitsaha-miteny, fa ity tetezamita ity sy ny mpitondra ao aminy no fositra amin’izao fahoriam-bahoaka izao. Mihetsika ny mpianatra fa tsy voaloa ny volany. Mitokona ny mpampianat ra sy ny mpandraharaha, ary ahiana ho taona fotsy ity taom-mpianarana ity. Mikoropaka ny FAT, ary nikaro-bola haingana handoavana ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ireo mpampianatra sy mpandraharaha. Mikaikaika ny vahoaka, satria tsy mahita izay harapaka isan’andro. Miaka-bidy andro aman’alina ny zavatra ilain’ny mponina an-davan’andro. Tsy misy ny asa hivelomana, ka ny halatra sy ny fandrobana, ary ny fivarotan-tena no lalana hizoran’ny ambanilanitra. Ny eo anivon’ny fitondrana anefa, dia mbola sahy manambara fa milamina ny fiainam-pirenena, satria miasa ny mpiasa, ary misokatra avokoa ny biraom-panjakana. Ny mpitondra tetezamita ankehitriny, dia nanambara fa ho hentitra sy handray ny andraikiny amin’izay mikasa hametraka izany tetezamita vaovao izany. Hilefitra ve ireo antokon’olona efa nanambara fa hiroso amin’io fepetra iray io? Hisy ve ny fisamborana sy ra mandriaka raha misy vahoaka mitaky eny an-dalambe ny hirosoana amin’io tetezamita tena izy hiarahan’ny rehetra io? Ny tsapa, dia mila vonjy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vahoaka maro, satria tsy misy intsony ny fanehoankevitra malalaka eto, ka tsy ho gaga isika raha any am-ponja avokoa ny ankamaroan’ireo olona naneho hevitra teto. Ny tsy azo lavina, dia misy hatrany ny sorona isaky ny misy fitakiana eto, ary mbola fery tsy hay sitranina hatramin’izao ny nanjo ireo namoy ny ainy tamin’ny raharahan’ny 10 aogositra 1991 sy ny raharaha 7 febroary 2009 ireny. Ny fiovana notadiavina anefa, dia toa miha-ratsy noho ny teo aloha hatrany. Sa izay ilay fiovana notadiavina ? Basy vava
Hadinon'i BASY VAVA anga ny 2002 tamin'ny andron'iR8.Nifampitifitra ny MILISY(zana-dambo sy ny miaramila),maro ny maty sy nitondra faisana.Mipetraka ny fanontaniana,"fiovana ve notadiavina tamin'izay?".TERANA,VOLA,VONINAHITRA, HALATRA,izay no misy ary ilay vahoaka miamahatra hatrany ny tsimanana ,ny manana lasa manana hatrany.FEHINY "tsy mijery ny vahoaka madinika izay mpitondra teo".ATAO FITAOVANA, SORONA NY VAHOAKA.
Dia iza koa nohatoky hoe antoko 55 no hitondra tetezamita? Antoko 55 tsy misy mitovy hevitra ao anatiny! Avy eo hiady an-trano amin'ny fizarana seza! Ny HAT diaefa antoko maro no ao, saingy ny mahatsara sy mampahomby azy dia misy an'i Andry izay point de repère ho an'ny rehetra, izany hoe olona to teny amin'ny rehetra, ka 20 mois izao no lasa, dia mbola miharihary ny fahombiazany! Fa ireto antoko 55, iza no tena mba azo atao sefo ao? Dia hifamotika ao ireo! Tsy mahatoky izany izahay!
Izahay aloha raha mipaoka eo indray ny rotaka dia efa manana ny lisitr'ireo mpanohana ny FAT sy mahafantatra ny toerana misy azy, indrindra ireo mpitsikilony sy ny mpanao gazetiny ary ireo miaramila mpanohana azy. Aleo i paoka fa iazy no andrasana, isika malagasy maro an'isa indray ve no handoalika @ ireo FATn'alikan'i Denise Rabe ireo.
Efa resy ry Valomanana e! Ho aiza eo nefa ialahy isany e! Maivana be ianareo e!
Fihetsik'olona tsy mitsijo lavitra daholo no ataonareo. Hadinonareo angaha ilay hoe ny mandresy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina. Ny marina dia izao andao isika hanavotra ity Firnena ity ka tsy
misy fijerena tavan'olona izany, ary ireo nanao hadisoana mba miaiky ny hadisoany dia mandeha io, fomba malagasy izany ary ataoko fa fisainan'olona mandroso, ireo eo amin'ny fitondrana kosa tsy
hiziriziry fa miezaka manatanteraka ny tombotsoambahoaka dia ny filaminana izany.
Ho tanteraka ve izany? Ny fahitako azy dia tsia satria tsy misy mijery ny soa iombonana ny mpanao politika Malagasy.Inona ny mahatonga izany? Tsy nisy nanana vinavinampiarahamonina ireo nahazo
fitondrana sy ireo miezaka ny hahazo fitondrana.
Raha tiantsika tokoa ity tanindrazantsika ity dia ampirimo any ny fitiavankely fa andao hametraka filaminana ary miroso mankany amin'ny fifidianana rehefa vita ny dingana ilaina amin'izany fa tsy
variana miady seza eto. Ekeko fa mamy ny seza fa na izany aza aleo mifidy dia izay voafidy eo no mandamina tanteraka ny Firenena.
Ilay hoe "tetezamita bis"aloha mba entina hanairana ny sain'ny olona fotsiny angamba fa tsy misy hiditra amin'izany intsony fa tonga dia"fifidianana filohan'ny repoblika"no maika ho fiandrianam-pirenena.
