jeu.
05
août
2010
Sahiran-tsaina mafy ireo mpanaraka ity antoko ity, fa indrindra ireo izay nitolona hatramin’ny nisian’ny krizy efa ho 19 volana izao. Samy manana ny heviny hoenti-mamaha ny krizy misy ireo mpitarika roa ao amin’ny antoko TIM ireo. Raha nanaovana fanadihadiana anefa izy ireo dia samy nilaza fa samy mikatsaka ny tombotsoam- pirenena avokoa. Ny an-daniny manaraka ireo vondrona politika izay ahitana mpikambana miisa 55, ny an-kilany kosa dia mitazona hatrany ny foto-keviny hatramin’izay, ary mijanona ao amin’ny ankolafy telo hatrany. “Afaka maneho hevitra avokoa izay te haneho hevitra rehetra, fa kosa rehefa tsy hevitra nifampierana sy nifampidinihana tamin’ny mpikambana ao amin’ny antoko dia anisany azo sokajiana fa hevitry ny tena manokana”. Io no nambaran’ny mpikambana iray ao anatin’ny antoko TIM, raha nanontaniana ny heviny mahakasika ny filazana fa mizara roa ny ny mpitarika ny antoko, nohamafisiny tamin’izany ary fa tsy mizara roa velively ny antoko fa kosa ny hevitra hoentina hamahana ny krizy misy eto amin’ny firenena no tsy mitovy. Raha ny zava misy izay hitan’ny be sy ny maro anefa no jerena dia “tsy miady tsy miady izy ireo kanefa ny kobay an-kelika ihany” ny an’ireto farany. Velom-panahiana arak’izany ireo vahoaka izay manaraka ity antoko ity, indrindra ireo izay nomena toky hatrizay nisian’ny krizy izay. Nilaza mihintsy moa ireto farany fa mampisalasala be ihany ny mahita mpitarika vahoaka tsy mitovy hevitra, ary tsy mitovy tanjona, marihana fa ny tarik’Atoa Raharinaivo dia niditra ho anisan’ireo ao anatin’ny vondrona politika, ny tariky Fetison kosa indray dia mijanona hatrany amin’ny resaka Maputo sy Addis-Abeba, toy ny tamin’ny voalohany ihany.....
Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra marina ny mahakasika ny fizaran’ity antoko ity, ny azo antoka fotsiny ihany dia tsy mitovy hevitra intsony ireo samy mpitarika na dia samy mbola milaza ho mpikambana ao ihany aza izy ireo, ny mpikambana iray kosa dia nanamarika fa tsy mbola nisy fanesorana mpikambana tao amin’ity antoko ity. Na izany aza araka ny nambaran’ity farany dia ny filoha mpitarika ny antoko ihany no tompon’ny teny farany, fa indrindra ny mahakasika ny hevitra izay haroson’ny mpikambana tsirairay amin’ny famahana ny krizy. Hatramin’izao kosa, na dia efa ela aza no nisian’ity fizarazaran-kevitra eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny TIM ity, dia mbola tsy nahenoana fanambarana ny filoha mpanorina ity antoko ity. “Dia hizara roa tokoa ary ve ireto zanak’i dada ireto e! sao kosa dia samy mijery ny tombotsoa manokany izy ireo, mety ho azo heritreretina fa nahazo avaram-patana tany amin’ny ankolafy hafa ny iray dia vonona ny hikopa-kelatra. Eny ! efa tsy mahagaga ihany ity famadihana palitaho ity eo amin’ireo samy mpanao politika eto amintsika, tsy vitsy ny manao an’izany, eny fa na dia ireo efa zatra manome toky pôkaty ny vahoaka aza. Mbola ho sarotra ihany ny dia e !”. LR.
Na hizara roa na hizara valo tsy misy rarahian'ny olona an'izany! ny an'ireo mpanao politika ireo anie efa mazava amin'ny vahoaka ny PAIKANY(toerana dia vola). Aleo hizarazara holasa zato aman'arivony any, amin'izay feno ny TANANA.
Dia mampahonena sy mapangoraka tokoa ny mahita anareo zanak'i dada an, fa misy inona loatra àry ao no dia miady toy io ianareo, tsôôôô! Aza miady toy io moa e! Mbola lavitra anie ny lalana hodiavina e! Izay sahady ve! Ny manjo ny GTT aza efa tsy laitra satria efa mizara telo sahady ry zareo! Angamba kosa eo amin'ny fizarana saosy no misy zara vilana ka! Mba mahiaza moa mifanaraka e! Tsôôôô!
izay tsy miala amin'i Ravalo e! ary raha mila olon-kafa dia Guy Rivo ihany no fantatray. Ireny no tena izy.
Ny olona tsirairay dia samy manana ny heviny FA saingy kosa ny Tanjona dia iray ihany:HAMERENANA NY LALAN'NY FIRENENA eo @ TENA IZY(fa tsy@iny lalan-tsarotra iny e!!)ARY efa maro ny fanazavana niseho t@io voalaza fa olana eo @TIM io fa ny hevitra hampodiana ny filoha mpanorina no tsy hitovizana(holambolamboina v? sa hakorotana?)
Niaraka ireo teo tsy nahavaha ny krizy,avelao hizarazara any sao izay no mahavaha krizy.Ny anay ny krizy mivaha ihany no ilainay fa na maty androany daholo aza ireo mpitondra sy mpanao politika ireo tsy misy irarahianay izany,misy hafa afaka miakatra indray eo.
