jeu.

05

août

2010

Fifanarahana saro-piterahana

Fifanarahana saro-piterahanaTsiry Tsy mitsahatra mitady vahaolana amin’ny krizy ireo antoko politika tsy anatin’ny ankolafy efatra, ny fiaraha-monin’ny olompirenena ary ny ankolafy efatra. Nifamotoana teny amin’ i Ivotel teny Ambohidahy, ireo antoko 55, omaly, handrangotra ilay fifanarahana politika hitantana ny tetezamita mandra-pahatongan’ny fifidianana. Tamin’ io fotoana i o ihany koa no nihaona tamin’izy ireo ny CNOSC na ilay Rindra nasionalin’ireo fiaraha-monim-pirenena, nahi tana an-dRamatoa Lalao Randriamampionona, Aristide Velompanahy, José Rakotomavo ar y Serge Zafimahova. N i l a z a R t o a L a l a o Randr iamampionona f a « ny vahoaka no tompon’ny fahefana farany dia mandritra ny fihaonambem-pirenena izany. Ilay fifanarahana arapolitika dia mikasika ny tetezamita fotsiny ihany mandra-pahatongan’ny fifidianana. » Notsindriany taorian’ny fanontanian’ny mpanao gazety fa « rehefa ny antoko 55 sy ny CNOSC no milaza ny tokony hatao mba hamahana ny krizy dia tokony hatao ». Raha ny tsilian-tsofina azo tamin’ny mpitarika antoko iray dia tsy ilaina ny manisy tsangan’olona amin’ny andrimpanjakana fa fototra iraisan’ny be sy ny maro ny fanendrena azy ka izay no tazonina. Araka ny re tamin’ny mpitarika iray hafa indray kosa, dia eo aloha ny fitazonana ho filohan’ny tetezamita an’i Andry Rajoelina, ary i tsy Camille Vital kosa no praminisitra fa izay tapaky ny rehetra. Amin’ireo rehetra ireo, Zafy Albert no lehiben’ny fampihavanampirenena ary ovaina kosa ny firafitry ny CENI na ny filankevi-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Mbola re ihany koa fa nafana vay ihany ny adi-hevitra mikasika ny ho avin’ny FAT - Fahefana Avon’ny Tetezamita. Ka hanaiky hiala maina va re ireo tompon’ny fahefana amin’izao fotoana izao raha izay tokoa ny tapaka ?

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    jacta (jeudi, 05 août 2010 16:06)

    Fifanarahana saro- piterahana satria maika ny hitady SEZA hanao tetezamita zato taona manaraka indray. Antoko 55 omena toerana, misy lasa minisitry ny WC "madio tsara ny tanana amin'izay".

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra