jeu.

05

août

2010

« Axilisme »: Hetsaka avy amin’ny helika

Mahavariana ny fikarohana ataon’ny mpandinika momba ny karazana fahafinaretana mety ho tsapan’ny mpivady amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo. Ny momba ny atao hoe « axilisme » indray no horesahantsika anio. Tsy inona izany fa karazana fihetsika iray, ifanaovan’ny mpivady. Akasoky ny lehilahy eo ambany heliky ny vadiny ny filahiany, ahazoany miaina ny fahafinaretana faratampony. Mahahetsaka mihitsy ny fanaovana izany, indrindra ho an’ireo olona mora taitra avy amina fifampikasohana tahaka izany. Voalazan’ny fikarohana hatrany fa ilay fifampikasohan’ny volo eo amin’ny taovam-pananahana sy ny volon-kelika no miteraka ny “pheromones”, manaitaitra ireo faritra ireo. Anjaran’ilay lehilahy manao ny “masturbation” no mikendry ny fahateren’ny helika ilainy, mahahetsaka azy. Mahafinaritra ny vehivavy ihany kosa ilay fifampikasohan’ny vatan’ny lehilahy eo amin’ny faritry ny nonony. Maro karazana ny fihetsika sy ny fomba azo trandrahana eo amin’ny lafiny aranofon’ny mpivady. Miankina amin’ny tsirairay ny hirosoana amin’izany na tsia, ahazoana manamafy sy manolokolo ny fitiavana.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra