jeu.

05

août

2010

7è CJSOI Nibata medaly volamena 9 isika

Niisa 8 ny medaly volamena azontsika hatramin’izao any amin’ny lalaon’ny tanora aty anivon’ny ranomasina Indiana andiany fahafito atao any La Réunion, miaraka amina medaly volafotsy 14 sy alimo 5 izany. Niampy medaly 14 be izao mantsy izany ny talata tontolo andro ka medaly volamena ny 4 amin’izany dia ny teo amin’ny taranja atletisma tamin’ny alalan’i Fleur Soa (3000m - 10’59’’63) sy Razafindrakoto Odile (400m - 57’’95) ary Manarison Jean Louis (400m - 49’’ 70) ary ny taranja handisport tamin’ny alalan’i Ary Francoise (vikin-dava).........

Nisinisy ihany koa ireo medaly volafotsy noraofin’ireo atleta malagasy toa an’i Marie Thérèse Renitavy (3000m - 11’01’’36), Raherindrainy Lucka (400 m - 50’’07) ary teo amin’ny handispor t « fauteuil roulant » nahitana an’i Tanjonjanahary Vahatra Soa (100m - 33’’98 sy fanipazana lefona mbola vitan’i Tanjonjanahary VahatraSoa (8m 02) izay lasa zava-bita tsara indrindra eto Madagasikara mihitsy ary ry Rajaonarivo Nandrasana ho an’ny hazakazaka 100m jamba (16’’84), Rasolofoniaina Gylber t (Vikindava - 3m 90), ny fanipazana lefona vitan’Andriamanirison Jean Rija (16m 43). Niampy medaly alimo iray izany tamin’ny alalan’Andriamanirison Jean Rija teo amin’ny fifaninanana 100m amin’ny « fauteuil roulant ». Nitohy omaly izany fifaninanana ho an’ireo tanora aty anivon’ny ranomasina indiana izany, fa tsy mbola nahazo vokatra mihitsy izahay hatramin’izao hanoratanay izao. Zaka F

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Dénise Rabe (vendredi, 06 août 2010 09:25)

    Hita fa niakatra ny haavon'ny fanatanjahan-tena malagasy hatramin'izay nana Filoham-pirenena an'i Andry Rajoelina izay. Mendrika deraina tokoa izy amin'izany!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra