mer.

04

août

2010

Ikongo: Toerana be volamena

Ma h a t s i a r o l a v i t r a Andriana ny vahoaka any Ikongo nandritra ny 50 taona. Tsy mba nisy zanaky ny faritra mihitsy lasa ministra nefa dia manana olona manampahaizana ny any an-toerana. Ratsy ny lalana anelanelan’Ifanadiana sy Tolongoina fa eo Tolongoina mankany Ikongo na Fort Carnot no mba azoazo. Tsy tian’ny mpitondra hifanesy hivoatra ve ny faritra, izay be harena an-kibon’ny tany tokoa ? Any Ikongo any dia mbola Ar 60 000 hatramin’ny Ar 70 000 ny gramam- bolamena, izay tsara tokoa satria 24 carat be izao. Manampatrana, A m p a s i m a l e m y - A m b o l o m a d i n i k a Ambilanitrony, Ambatolampy- Voninkazo, ny ranon’ny Sandragnata dia ahitana volamena avokoa......

Maro ireo fianakaviana any an-toerana no mivelona amin’izany fitrandrahana volamena izany. Ireo mpanivana no manemitra ny ranon’ny Sandragnata aty akaikin’ny Voninkazo. Tsy vitan’ireo harena ireo ihany koa fa mbola ahitana vato grenat vert sy giron any Ampasimalemy. Ny indrokely dia ireo mpijirika no tena mahazo tombony amin’ity volamena any Ikongo ity. Misy ilay antsoina hoe “triangle” koa, toerana telo ahitana volamena tsy mananosarotra velively. Iniana tsy lazaina eto izany mba tsy ho tonga any ireo mpandroba ny harempirenena. Aleo ny mponina any an-toerana no higoka ny soa sy ny mamy amin’izany. Tsiry

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    jacta (mardi, 03 août 2010 22:46)

    Hatraminy nisian'ny FANJAKANA teto madagasikara dia ny "tany lavitra an-driana" no niainana.ny antony: geza loatra ny tanintsika ka tokony amparitaka ny fahefana(manatona ny vahoaka ny mpitondra). Izay no mahatsara ny RAFITRA FEDERAL, izay filaza azy mety daholo.(omena fahefana sy afaka mitantana ny FARITRA tsirairay).Zaraina mitovy ny VOLA avy aty amin'ny fanjakana foibe, miara-mandroso ny faritra tsy misy zanaky kalahafa(mila asa sy finiavana anefa izany!)

  • #2

    tsy aritra (vendredi, 06 août 2010 17:54)

    Ny zava-misy eto amin'ny Firenena anie hatramin'izay ka hatramin'izao dia "tsy mbola ny handrosoan'ny Malagasy mihintsy no tanjona e".I Madagasikara dia tian'ny sokajin'olona sasany eo amin'ny fitondrana hatao tsena fivarotana fa tsy mba ho mpamokatra rahoviana.Mila mamokatra isika vao mandroso.Ny tiana ho resahana eto tsy hoe mamokatra hanina ho hanina ihany fa mamokatra herin'aratra ohatra,mamokatra vy ohatra,sns...fa isika ataon'ny olona fakana "matiere premiere" dia ataony tsena fivarotana "produits finis" indray avy eo.Dia toy izay foana isika tsy misy fandrosoana.Izany koa no tsy mampivoatra ny any ambanivohitra satria mizina.Ny herin'aratra anie tsy voatery hoe JIRAMA fa afaka manao "petit barrage" any amin'ireny rano rehetra any ambanivohitra any dia iny no avadika ho herin'aratra.Fantatry ny mpitondra izany fa ilay finiavana sy fandraisana andraikitra tsy fandrosoana no tanterahiny.Mampalahelo e!!!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra