mer.
04
août
2010
T s y m e t y t e r a k a Ambatobevohoka. Io no tsapa nanomboka nandraisan’ny FAT ny fitondrana hatramin’ny volana Martsa 2009 ka hatramin’izao. Izay nampanantenaina toa rava maina, ary miha-lafo ny zavatra ilaina, hoy ilay tonon-kira izay. Handray 18 volana izao ny niakaran’ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny fitondrana. Maro ny fanamby napetraka ho vita tao anatin’ny herintaona monja, ka hifaranan’ny tetezamita tamin’ny herintaona. Isan’io ny fifidianana isan-karazany. Tsy vita io, na dia efa nametraka daty isankarazany aza ny filohan’ny FAT. Napetraka ihany koa ireo karazam-pivoriana hivoahana amin’izao olana izao, ary mbola tsaroan’ny maro ilay natao teny amin’ny trano fandraisam-bahiny Ivato, izay nantsoina hoe teny ifampieràna......
Very an-javony ihany ny vokatry ny fivoriana teny. Nivalona ny taona 2009, ary niditra tamin’ny taona 2010 isika. Natao ireo drafitra maty paika, saingy inona no teo? Ny omaly tsy miova ihany. Ny daty napetraka hanaovana ny fifidianana, izay tokony ho nanomboka volana martsa 2010, indrisy fa tsy hita tabilao intsony. Ny mpiasa very asa tamin’izao tetezamita izao efa mananika ny aman’hetsiny. Iza no sakana? Etsy andanin’izay, dia mifanome tsiny lava ny mpitondra sy ny mpanohitra. Tsy mahay mifandefitra, ary mifanasa vangy lava izao. Natao ilay kisarin-tsarim-piarahana natao ho fantatry ny mpanao gazety teny Ambohidahy andro vitsy lasa izay. Nahoana no mahay miray latabatra sy miara-mihinana ianareo no tsy natao izany hatramin’izay? Hanaiky izao fiarahana izao koa ve ny filoha mpitarika ny antoko misy azy ireo? Ny tsapa, dia afaka miray hina ny mpanao politika rehefa hisakafo sy hilanonana, fa raha hizara andraikitra eo amin’ny raharaham-pirenena, dia nofy izany. Io fizarana seza io no nandavana ny sonia vita tany Maputo sy Addis Abeba, ary mbola izay lavin’ny firenena eran-tany izao isika. Iza ary no sakana tsy mampilentika ny firenena hoy ny mpitazana? Ny hita dia ahiliky ny eo amin’ny fitondrana amin’ny vahiny sy ny mpanohitra ny tsy fahombiazany. Rarafan’ny mpanohitra fantsy amin’izay tsy fahombiazany izay ihany koa ny mpitondra. Dimy volana sisa dia hivalona indray ity taona ity. Mbola hisy fiovana ho hita ve ho ataon’ny fitondrana ankehitriny? Ho nofy hoy ny mpitazana raha hisy mirakla eo, satria tsy mahita mazava hivoahana izy ireo. Ny daty hanaovana ny fifidianana, dia misy lalana tsy maintsy arahana, saingy hatreto, vao ny dinika santatra no vita, fa ilay fihaonambem-pirenena mbola hatao. Midika ve izany fa amin’ny herintaona indray vao hatao ny fifidianana, sa tsy maintsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza izy io, ka ho vitaina amin’ity ihany? Misy ve ny vola hanaovana izany? Samia mandinika, fa toa mahay fahagagana anie ity fitondrana ity e. Vainafo zanany
Ny mpanao politika moa no misavorovoro, fa ny fiainam-bahoaka dia mandeha tsara araka ny tokony ho izy! Mety ny politika hitondran'ny Filoha mahavita azy Andry Rajoelina ny firenena. Maro ny zavatra mitsangana sy vita, mihatsara Antananarivo. Afaka volana vitsy dia hitsangana ny Hôpitaly lehibe iray isa-paritany! Misaotra ano ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo, Andriamatoa Filoha!
Marina ny voasoratrao ry VAINAFO ZANANY, ny marina koa dia ataon'ireo mpanao politika ireo FITAOVANA sy TOHATRA fiakarana fotsiny ny vahoaka.Tsy misy mijery ny fahorian'ny vahoaka izireo, ny vahoaka efa misotro ny aleko maty amin'izao fotoana izao(tsy voatanisa intsony ny mahazo ny valala bemandry).
Inona ity fiainambahoaka lazain'i Denizy fa mande tsara amin'ny tokony ho izy?Hay mande tsara amin'i Denizy zany ny fiainan'ny vahoaka efa maty refona sy tsy an'asa sy itambesaran'ny fiakaran'ny vidimpiainana tsy zaka io intsony?Misaotra ry Denizy,fa sao ny fiainanao sy ny FAT no mande tsara fa tsy ny an'ny vahoaka maro an'isa?Dia tena tsy mba misy henatra na dia kely aza ve ianao Denizy milaza hoe mande tsara ny fiainan'ny vahoaka e?Sa sao maneso kosa ianao fa izahay no tsy maha-takatra?Andriamanitra tsy andrinareo andrinay vahoaka mahantra maro anisa.
Aza miantso an'Andriamanitra ianao ry tsy aritra. Ianareo forongon-dRavalo manko no efa namitaka an'Andriamanitra. Ny baiboly no nentinareo nanambakana vahoaka tamin'ny 2002, kanefa nony azonareony fahefana dia nataonareo tsindry hazo lena ny vahoaka. Koa tsy tokony hiantso ny anaran'Andriamanitra intsony ianareo satria efa namitaka azy sy ny vahoaka ianareo forongon-dRavalo.
F'angaha misy forongond-Ra8 eto.Aoka hazava ny resaka fa aza hafangaro.Tsy misy ilako ze Ra8 na ze Andry TGV nao.Rehefa tsy zakanao ilay resaka dia avadikao hoe forongond-Ra8 ny olona?F'angaha Ra8 sy Andry TGV ihany no afaka mahavita zavatra eto amin'ity Firenena ity?Ahitsio kely ny fijery fa samy mpamita-bahoaka na Ra8 na Andry sy ireo mpanao politika tranainy fa ny marina sy ny rariny tokony hatao eto amin'ny Firenena no hironan'ny resaka eto fa tsy fombàna olona na antoko anjambany toy ny anao.Vahoaka mijaly sy ianjadian'ny tsy eran'ny ainy ve dia lazaina fa mandeha tsara amin'ny tokony ho izy ny fiainam-bahoaka?Andriamanitra tsy andrinareo andrinay foana e!!!!
