mer.

04

août

2010

Atin’akanjo hafakely: Kilaoty tsy hita maso

Anisan’ny zavatra manahirana ny andriambavilanitra matetika ny fikarohana izay atin’akanjo hampiarahany amin’ireny fitafiana mitaratra toy ny pataloha fotsy sy ny namany ireny. Nahita hevitra indrindra hamahana izany olana izany ny trano fanjairana “My Panteez”, namorona ny karazana silipom-behivavy antsoina hoe “invisible”. Tsy hita maso, araka izay anarany izay ity kilaotim-behivavy ity. Namboarina manokana hitovy amin’ny lokon’ny hoditry ny fitombenana ny lokon’ity kilaoty ity. Tombony hafa, ankoatra izany ihany koa, ny fomba namokarana azy, noho izy tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    Aina (mercredi, 04 août 2010 09:27)

    tsy ratsy aloa ilay izy fa saingy hampitombo ny filana hoan'ny bandy .

  • #2

    DIM (mercredi, 04 août 2010 10:44)

    Tsy ratsy ka! Ina lé hoe miaro ny tontolo iainana? Avy hanaovana dia ariana zany ve?

  • #3

    maman'i tsssssss (mercredi, 04 août 2010 14:14)

    d aona zany ra mainty v... d efa misy special o azy?,,,,,,,,,

  • #4

    Aina (jeudi, 05 août 2010 08:22)

    Zay koa ny no saika hanotaniako ka ny maman'i Tss no tonga taloa .

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra