mer.
04
août
2010
Izay atao rehetra ity toa ananan-doza avokoa. Sahobakaka mihani-drindrina, ka ny eritreritra no betsaka fa ny hoza-pe no tsy maharaka. Voadingana ny andro vitsivitsy nisantarana ny dinika natao tetsy sy teroa… Ka nitsabaka sa nisabàka tamin’iny dinika iny ny fitondrana ankehitriny ? Resy lahatra ve ny mpikarakara sy ny mpandray anjara rehetra ? Azon’izy ireo antoka ve fa nilaina amin’ny fitohizan’ny famahana ny olana misy eto iny fanehoan-kevitra iny ? Raha mijery tsy miangatra ny mpi tondra f i renena ankehitriny dia hahatsapa fa tsy hahafahana mizotra amin’izay hiheverany azy ho any amin’ny fifidianana sy ny Repoblika vaovao ny vokatry ny fakan-kevitra natao. Ray aman-dreny sa olom-pirenena ?......
Toa nisafidy hangingina mantsy ireo ray amandreny mpikararakara, fa ireto avy amin’ny fivondronam-ben’ny f iaraha-monin’ny olompirenena no nanangam-peo avy hatrany fa ilaina ny fanaovan’ny tena mpifanandrina politika fifanarahana. Dia ahoana izany ? Ka inona no nandaniana volam-bahoaka, nandaniana andro namoriana olona ? Hay tsy maintsy mpanao politika ihany no ho vaha-olana ? Aleo handrasana izay hiafaran’ny taona raha izany no marina ! I Zandrikely mantsy dia efa nilaza fa tsy mila, ary tsy hanaiky tetezamita vaovao. Noho izany dia aleo izy handrebireby ny rehetra eo e! Rehefa tapitra ve ny fotoana hanjakany tsy hijanona ho azy eo ? Rehefa tonga izay fotoana izay (na ho ela na ho haingana) dia hatsangana amin’izay ny firenena malagasy tena mifototra amin’ny fifanarahan’izay rehetra te‑hanao politika. Tsy ny vahoaka anie no nandeha tamin’ny sitrapony ka nila raharaha tamin’ireny nolazaina fa tolom-bahoaka ireny e ! Mpanao politika tsy nahandry tantana no nivazavaza sy namboly izay tiany ho volena teo. Koa nahoana ankehitriny no tsy hainy ny hamaha ny kriziny fa ny vahoaka sy ny olompirenena no vorivoriana etsy sy eroa handamina ny n a k o r o n t a ny ? A z a maika antsoina ho filohampanjakana, na f i lohampirenena raha tsy hahay handamina ny raharaha politika anatiny, sy handresy lahatra ny sehatra iraisampirenena fa tena mahasolo tena ny Malagasy.
Ny ampitso no hilaza
Tafiditra ao anaty ranon’ampango amin’izao fotoana izao ny voay izay nireharehana fa efa maty ka tokony hiravahana ny vanginy. Tsy mety sy tsy voafehy ny fitantanan-draharaha amin’ny ankapobeny. Ny « affaires courantes » tsy vita amin’ny tokony ho izy, kanefa ny « grands projets » etsy sy eroa arangaranga ihany. Ny faran’ny taona noterena tsy fidiny ho fiafaran’ny fibodoana fahefana mbola lavitra kanefa ny any ambadiky ny taona ho avy no nofinofisina. Aza mihevitra fa maty an-kazo tokana ny olom-pirenena ka tsy hanana tetezana hafa ahafahany miampita. Efa lany lamaody ny hoe Pi sodi a i z ahay mandra-pahafatinay… Ny olona tsy ho voatery handray lamasinina e! Mety ho sarety mitaredretra no tiany kanefa ahitàny fitoniana sy filaminantsaina. Aleo ravim-bomanga kely sy patsa, toy izay hanimpitoloha arahin-datsa. Sa diso ve ‘zany ?
Fisaorana mitafotafo no atolotra ny Filoha ambony sy mahay Andry Rajoelina. Tena mety sy mahomby ny fomba fitantanany ny firenena ke mendrika tohanana hatramin'ny farany izy! Ny 97% 'ny vahoaka monina eto Gasikara moa dia efa samy mahatsapa izany!
Tsy hitako izay nanaovana ny DINIKA SATATRA RAHA mbola ny havitry ny mpanao politika no handrasana,nefa ny politika ny (toerany sy ny paosiny ihany no mahamaika azy...).Efa nanao ny mpanao POLITIKA fa tsy nahavita na inona na inona, niady nifamono no nataony koa hanao inona indray? HITADY TOERANA hanao TETEZAMITA folotaona manaraka indray!
Mba mahaiza mampiasa machine à calculer ry Dénise
Rabe a!!! naveriko natao an-kandrina ny kajy fa
0,97% no izy
Izy ity anie ka krizy politika!!!!!! dia vahaolana politika no atao fa tsy andeha hamorona vaha olana hafa indray?na fiarahamonim-pirenena na ny iraisam-pirenena no mitarika ny famahana ny olana TSY MAINTSY VAHAOLANA POLITIKA eo @ mpifanndrina roa tonta(R8 sy Andry) no hiafarany izay vao afaka miroso @fifidianana hitsaran'ny vahoaka azy fa ny ankoatra izay dia FANDANIAN-JIRO avikoa
Reska be daholo fandanian'andro,sy fampatorina antsika mianakavy daholo izany , Hataovy ny fifidianana dia ho ekena izay lany eo
Voce populi vox dei
Misaotra tompoko
