mar.

03

août

2010

Tsy mahantra Olomanga fa mahantra tia tanindrazana

Miverimberina tato ho ato ny filazana hoe “ tia tanindrazana aho, tia ny fireneko, ary tia ny vahoaka monina ao aminy”. Dia manontany tena hoe: aiza izany fitiavan-tanindrazana izany? Fa maninona no tsy porofoina, fa toa lasan-ko vavany fotsiny. Tsy ny mpitondra amin’izao, tsy ny mpanohitra fa samy mampiasa io teny io avokoa rehefa miteny na aiza na aiza toerana alehany. Toa zary fanafenana ny hadalàna anefa izy ity rehefa natao ny fandinihana. Dia manontany tena ny vahoaka hoe: aiza izany fitiavan-tanindrazana dradradradraina isan’andro izany? Toa mbola ny omaly tsy miova ny fiainan’ny vahoaka vokatry ny fitiavan-tena eo amin’ireo mpitondra, maro samihafa. Rehefa natao aloha ny tombatombana dia toa lasa “tandra vadin-koditra” eo amin’ireo mpanao politika isan-tokony mihitsy ity mamitaka sy mandainga amin’ny vahoaka ity. Ampiasaina io fiteny io mba hangalana ny fon’ny vahoaka, fa tsy misy asa sy fihetsika vita mifanaraka amin’izany. Ireo vahoaka moa dia efa maro no voafitaka, satria sodokan’ny kabary tsara lahatra, na izany aza misy koa ireo efa tonga saina, ka zary manenina vokatry ny natao......

Hatreto aloha dia tena mitombina ny filazan’ny mpitsara mpahay lalàna hoe tsy mahantra Olomanga ny firenentsika fa kosa mahantra olona tia tanindrazana”, ary mbola notsindriany aza hoe “fitiavan-tena sy fitiavan-tseza no manjaka, ka dia tsy maintsy misy foana ny hetsika ataon’ny vahoaka na dia mbola tsy tapitra aza ny fotoana tokony hitondran’ny mpitondra iray”. Toa milaza miara-mahita ihany ny tena raha hilaza fa porofo iray mitohoka amin’ny tenda izao iainan’ny Malagasy izao, nodradradradraina hatrizay nisian’ny tolom-bahoaka izay fa hampiseho ny tena fitiavan-tanindrazana ny mpitondra. Aiza izany amin’izao, toa zary very maina aza ny ain’ireo mahery fo izay latsaka nandritra izay tolona nifandimby teto amin’ny firenena izay. Dia iza no lazaina fa “tia tanindrazana” amin’izany ? Ireo mpanome toky pôkaty sa kosa ireo namoy ny ainy amin’ny fiadiana ny hisian’izany eto amin’ny firenena mba hiadanan’ny samy Malagasy ? Toa mbola ho nofy ihany aloha izany raha amin’izao vanin’andro iainantsika izao e! “ny toky anie fitaka fa ny atao no hita e!”, dia samy mahita ny vahoaka ary samy mitsara fa iza no tia tanindrazana eto? Mbola ny fitiavan-tena sy ny fiadiana seza hatreto no malaza, ka toa manonofy tsy matory ihany raha hanantena izany isika. Fa raha tena nisy tokoa ve izany fitiavantanindrazana izany, tsy efa ela no nivaha ity olana mangirifiry hiainan’ny vahoaka ity e? 18 volana tao anaty krizy ny firenena, dia mbola ny omaly tsy miova ny fiainan’ny vahoaka satria maro be ireo fitiavan-tena ataon’ny mpanao politika. LR

écrire commentaire

Commentaires: 11

  • #1

    Dénise Rabe (mardi, 03 août 2010 09:00)

    Raha ny zava-misy aloha dia hita porofo ary azo tsapain-tanana mihitsy izany, ny malagasy maro an'isa ihany koa dia samy manambara fa raha ny fitiavan-tanindrazana dia i Andry Rajoelina no tena loha laharana amin'izany. Tsy misy izay tsy miaiky izany ny 97% 'ny malagasy mipetraka eto Gasikara. Ireo 3% mitsipaka io moa dia ry zareo vitsy an'isa ao amin'ny TIM, MFM ary ny UNDD sy ireo antoko politika tsy misy afatsy membres folo ao anatiny. Raha ny tsy fitiavan-tanindrazana indray no asian-teny dia ireto GTT ireto no tena champions satria na ny teny malagasy aza tsy hain'ny ankabeazan'izy ireo.

  • #2

    3% (mardi, 03 août 2010 11:15)

    "Demandez à un crapaud ce que c'est que la beauté : il vous répondra que c'est sa crapaude avec deux gros yeux ronds sortant de sa petite tête. Interrogez le diable il vous dira que le beau est une paire de cornes, quatre griffes et une queue." <Voltaire>
    "Minoa fotsiny ihany"

  • #3

    RAWERA (mardi, 03 août 2010 12:42)

    Tena marina zato isan-jato io lahatsoratra io. Fahantrana iray ihany no misy eto amintsika MADAGASCAR dia ny FITIAVAN-TANINDRAZANA. "Tiako I Madagascar e, Tiako ny fireneko, ho an'ny tanindrazana e, sy ny maro tsy tambo tononina fa lasako vavany fotsiny. Tiana koa atao toy izao! Mba asio fiheverana kely ny fitenenana fa aza miteniteny foana e. Tsy misy miantso tody eto sanatria dia sanatria fa aoko ho an'izay miteny ho tia ny tanindrazany hohenjehin'ny eritreriny (raha misy koa izany). Inona moa no tena antony e? NY VOLA. O RA VOLA O HATRAIZA MOA NY FETRA NA HATRAIZA MOA NY HERINAO? Mihevera tena kely fotsiny ry zalahy a. Manana fahononantena.

  • #4

    Ragasy (mardi, 03 août 2010 14:44)

    Ity indray ny fanontaniana: mba haintsika koa ary ve aloha ny atao hoe fitiavan-tanindrazana ? Sa mba miteny ny olona dia mba miteny koa.

  • #5

    rajery (mardi, 03 août 2010 17:08)

    Ny tena marina dia"tsy mahantra olomanga,tsy mahantra harena ankibon'ny tany fa MAHANTRA ARA TOE-TSAINA".

  • #6

    Dénise Rabe (mardi, 03 août 2010 20:40)

    Ireto zanak'i dada ireto mihitsy no tena ratsy toe-tsaina sy tsy tia tanindrazana eto amin'ity firenena ity!

  • #7

    miharare (mardi, 03 août 2010 23:31)

    TIA TENA io no tena teny mendrika homena ireo mpanao pôlitika eo Mada. Be kobaka ambava sy be resaka fa tsy misy patriote na iray aza. Mampalahelo sady mahamenatra no mandreraka fa maty fisainana. Be halatahaka sy feno fitiavantena ka tsy mahalala na minia tsy mahita izay lohalaharana. Tsy hitako zao zay maha maika hanorina hopitaly any Mahajanga, ny vahoaka anefa mijaly sy tsy anasa. Ny vidimpiainana mihalafo hatrany, ny fiainan'ny vahoaka maro anisa mikorosofahana. Dia tsy izay hampiverina ny fiainanana amin'ny laoniny no imasoana fa raha azo ampiandrasina no dradradradraina sa amin'izay ve misy hanombinana amin'ilay vola be mody atokana ho an'ilay tetik'asa? Ary tokony mba manadihady hoe inona no antony mahasarika ireo indianina( karan) hanorina hopitaly any mahajanga nefa any amin'ny tanindreo( inde ou Pakistan) feno fahantrana mihoatra noho ny eto mada sady feno olona maro mila fitsaboana fa tsy manana fahefa-mividy amin'ny sara pitsaboana. Izay fomba nahazatra ary mbola ataon'ireo zay eo amin'ny fitondrana.
    Raha misy olona tena tia tanindrazana,io olona io voalohany tokony manaraka ny lalana toy ny rehetra, tsy matim-bola ka matin'ny kolikoly indrindra amin'ny fanampiana ireo mpanao affaire eto Mada na io sinoa, koreanina,karana, afrikanina, gasy sy ny maro tsy voatanisa. Reo sokajin'olona ireo dia mividy ny fanahin'ny mpiasa Malagasy maro amin'ny vola mba tsy hanarahandreo ny lalana ( famoahana sy fampidirana entana antsokosoko sy tsy ara dalana, tsy fandoavana taxes, fanaovana tsinotsinona ny zon'ireo mpiasa gasy ampiasaindreo,sns, ary indrindra tsy manao varo boba ny tanidrazany no miaro ny tombotsoan'ireo mponina ao aminy, izay tsy hita taratra hatr'izay ka hatrami'izao. Tsy Mada irery no tany feno affairste vahiny fa io erantany, saingy amin'ny toerankafa, manara-dalana ny ankamaroan'ny mpiasa ami'ny toeram-piasana ka dia tsy maintsy manaraka lalana ihany koa zay te hanao business ami'ilay toerana, fa ny eto kosa dia ny lalana mihintsy no tsy arahin'ny ankamaroan'ny mpiasa izay anankinana andraikitra, indrindra ireo tomponandraikitra ambony amin'ny toerampiasana rehetra eto Madagasikara, noho ny fahafatesan'ilay fanahy tia tanindrazana hany ka dia hararaotin'ny olona. Mba mieritrereta ry mpitondra sy mpanao pôlitika gasy fa tsy hanakana anareo tsy ho faty akory ny fitiavantena sy fanangonankarena. Mba jereo ny fiainan'ireo mponina zay hararaotinareo ny fahatsorany sy ny fahalemeny. Tsy ny fanana vola be, villa be,fiara tsara sy vola akory no tena fiainana tonga lafatra fa ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny ho fanasoavana ny firenena sy ny mpiara belona.

  • #8

    NY HENDRY (mercredi, 04 août 2010 17:17)

    Inona marina ny atao hoe:"FITIAVAN-TANINDRAZANA"? fa raha izao zava-misy izao noizy dia tena HAFAKELY

  • #9

    tantsaha (mercredi, 04 août 2010 21:32)

    Ny atao hoe fitiava-tanindrazana raha aminay dia tsotra:"fijerena izay hampandroso ny Firenena".Ohatra:misy hazo 10 eo,dia ezahina atao izay maha 20 azy.Dia toy izay amin'ny lafiny rehetra raha misy olona 100 tsy manankialofana dia mikaroka hevitra mba hananany trano.Vitan'i père Pedro ve dia tsy ho vitan'ny fanjakana raha tena milaza fa tia tanindrazana izy ireo?Fa olona mpangalatra sy tia tena mpamadika tanindrazana daholo izay tonga teo.Porofon'izany jereo izay miala fa mialokaloka any antanin'olona any no atao,any ilay tombotsoa tokony ho an'ny vahoaka no naondrany matoa izy ireny tafajanona any.

  • #10

    za (jeudi, 18 novembre 2010 12:02)

    tantsaha
    ny antsika ange zao no tena toetsaina e:
    raha misy hazo folo eo dia tapahina daholo rehefa za no eo am fitondrana fa sao tsy eo tsony za ,zay manaraka eo ndray mitady zay ho tapahiny fa ahy aloha reo.
    raha Pedro ndray dia nahavita fa nanaiky ireo olona hiasa araka zay teneniny nefa tsy zakantsika zany satria atao hoe didy jadona hono ka ny baranahany toy izao no mahafinaritra sady zao tsisy controle samy manao zay tiany samy mitonona ho Prezida tandalana na tena tia tanindrazana ,dia asiana referendum anakonana ny ratsy rehetra.....
    tsotra be le solution-nao tsara anefa,fa saingy rah azon-dry zalah natao tao anaty constitution ny fanagadrana izay manao anizany efa nataony...fa sao dia misy vahoaka betsaka ao aorinanany

  • #11

    randria (lundi, 20 décembre 2010 10:59)

    tsy mahantra tia tanindrazana izany isika fa mahantra olo-marina.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra