mar.

03

août

2010

Lehilahy tsy mitapaka: Manana ny afeniny

Miankina amin’ny fomban- tany ny fanaovana didim-poitra na tsia. Ho antsika Malagasy dia izao vanim-potoan’ny ririnina izao no fotoana fanaovana azy, noho ny hatsiaka manamora ny fahasitranan’ny fery. Misy fiantraikany amin’ny arapananahana ihany koa anefa izay famorana izay. Raha ara-medikaly dia ny fanalana ny saron’ny lohan’ny filahiana no antsoina hoe famorana. Mivoaka ho azon’ny rivotra tsara ny “gland” vokany. Raha ara-pananahana indray dia tsy manova na inona na inona loatra ny famorana. Afaka mamoaka ranon’aina ara-dalàna avokoa na ny mifora, na ireo tsy mifora.....

Tsy hoe manafaingana na mahaela ny fahatongavany izany. Mitovy ihany koa ny fahatsapana ny fotoana maha-hetsaka eo amin’ny mitapaka sy ny tsy mitapaka. Raha momba ny aretimandoza sida kosa dia voalaza fa voasoroka kokoa tsy ho mora ifindran’ny tsimokaretina ny lehilahy mifora raha ampitahaina amin’ireo tsy vita didim-poitra. Tsy midika akory izany hoe tsy tokony hanao fimailo intsony rehefa manao firaisana ara-nofo, raha te hiaro tena amin’ny aretina. Raha ara-pahadiovana indray dia fantatra fa mitazona loto kokoa ny tsy fanaovana famorana. Voatahiry ao anatin’ilay hoditra eny amin’ny lohan’ny filahiana iny ny loto amin’ny ankapobeny, ka tsy tsara loatra ho an’ny lafiny fahadiovana. Tsy miank ina loat r a amin’ny famorana na tsia ny fahazoana sy fanomezana fahafinaretana mandritra ny firaisana ara-nofo. Ny fahaizamanao sy ny traikefa no tena miresaka betsaka.

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    JODA (mardi, 03 août 2010 10:31)

    AIZA NO TOERANA AHITANA ILAY MENAKA NATORALY HO AN'NY LEHILAHY? MISAOTRA

  • #2

    Menaka (mardi, 03 août 2010 13:11)

    Io am'ny gaszety basyvava io ary misy pub kou!sa?

  • #3

    Aina (jeudi, 05 août 2010 08:24)

    ra mila ianao dia ity misy num azoko omena anao :
    0330407424 atsoy io fa ry zareo manana

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra