lun.
02
août
2010
« Fa inona marina no tena mitranga ao ambonimbony ao e ? », hoy ny fanamarihan’ny olona tato ho ato raha nahatsikaritra ireo volabe voalaza fa tsy hita nanjavonany, na tsy fantatra izay nampiasa sy nampiasana azy. An’arivony tapitrisa maro no very an-javony fotsiny nandritra ny fiandohan’ity taona diavintsika ity ka hatramin’izao. Volabe mitentina 7,5 miliara iraimbilanja no nisy nanodikondina tao amin’ny fiadidian’ny fahefana avon’ny tetezamita. Voaroaka noho izany ny tale mpitantana ara-bola (DAF) sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Taty aoriana kely indray dia nahatsikaritra ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita fa tsy nividianana fiara mba hampiasain’ireo olom-panjakana ambony toy ny minisitra sy tale isan-tsokajiny akory ireo vola an’arivony lavitrisa. Raha natotaly dia fiara 40 eo ho eo no voalazan’ny tatitra ara-bola fa nandaniam-bola. Hatramin’izay ka hatramin’izao anefa dia tsy nisy na dia endrika fiara iray akory nivezivezy ka nitondra minisitra na tale isan-karazany. Ireo fiara nafaran’ny fitondrana teo aloha saika handraisana ny fivoriamben’ny afrikanina teo no mbola ampiasain’ireo olom-panjakana isan-tsokajiny avy.....
Farany teo aza, mba tsy hilazana hoe vao omaly dia nanazava ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny teti-bola sy fitantanambola fa asiana fanitsiana ny teti-bola ampisain’ireo ministera sy sampandraharaham-panjakana manerana ny Nosy. Tsy nisy afa-tsy Ariary 989 000 no niditra tao amin’ny kitapombolam- panjakana raha nahatratra Ariary 802 742 648 ny fandaniam-bola hatramin’ny fiandohan’ny taona no mankaty. Dia gaga sy zendana ny rehetra na dia tsy mahay manisa sy tsy mahafehy ny fitantanam-bola aza mahita ny elanelana misy eo amin’ny vola miditra sy vola mivoaka. « Tsy maintsy ahitsy ny teti-bola, isany hoe tsy maintsy hirosoana ilay antsoina hoe recadrage budgetaire », hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny teti-bola sy fitantanam-bola, izany hoe ahena ny fandaniana tsy dia ilaina loatra fa izay tena maika sy ireo fandaharan’asa mahakasika ny vahoaka mivantana toy ny fahasalamana, fampianarana, fandriam-pahalemana sy sakafo sisa no hamoaham-bola. Tsy mahagaga noho izany raha mitaraina ny atsy, mitokona ny aroa fa tsy nahazo intsony ny valin-kasasarany. Nitokona nanomboka omaly ireo mpandraharahan’ny oniversité tsy mbola nandray karama volana jolay. Ny eny Vontovorona moa tsy mbola niverina ny fampianarana satria tsy mbola nahitana mangirana akory ny mikasika ireo tambin-karaman’ny mpampianatra taona 2009. Mbola tambin-karama ihany koa no mampitokona ireo mpampaianatra tsy hitsara ny fanadinana BEPC, ary mbola toa io ihany koa no mahatonga ireo mpampianatra taranja fanatanjahantena tsy mety manome ny naotin’ireo ankizy niatrika adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana baccalauréat hatramin’izao. Ny fanaovana ho toy ny tantely afa-drakotra ireo fananampanjakana moa manginy fotsiny raha tsy hilaza afa-tsy ny « bois de rose ». Dia gaboraraka toy izay hatrany izany no mitranga eto amin’ny firenentsika rehefa mandalo tetezamita toy izao ?
Atao ahoana e zay no fanovana tadiavina atao eto
Ka ilay mpanararaotra daholo anie no mihetsiketsika hisian'ny tetezamita koa ahoana moa no tsy gaboraraka.Vola tsy nandreraka azy no nahazoana an'io ary toy ny mamba noana anie izy no miakatra eo e!Zao izy vao mody taitra hoe aiza no ahitana vola toy ny nataon'ny mpitondra teo aloha?Nohon'ny nataony mantsy dia tapaka daholo ny fanampiana tokony ho azon'ny Madagasikara avy any ivelany ary ritra ny "caisse de l'etat".Ny mandroba no hain'i Rajoelina sy ny forongony fa tsy ny mitady.
Tena misy tokoa ny mangarahara eo amin'ny fitantanan'i Andry Rajoelina ny firenena ary tena mandrim-piderana izany! Tamin'ny andron'i Valomanana dia izy Valomanana mihitsy no mangalatra sy mandroba ny fananam-panjakana sy ny fanananan'olona, ka impossible ny fanaraha-maso satria moa dictateur moa i leiry! Ankehitriny dia i Andry kely mahavita azy, mpitondra matotra sy mahay no mitondra an'i Gasikara ka isaorana izy ary manohana azy tsy misy fepetra ny vahoaka maro an'isa!
Mety io Deise Rabe io ihany no Andry Rajoelina Gaigy na mpisolelaka aminy akaiky io. Tsy andritenisany ve ny hivadihan'ny glaoby ry matesa faingan'ireto a!AZA MITONONA HO VAHOAKA IZANY, FA NY VAHOKA MARO AN'ISA NO MITONDRA FAISANA NOHO NY HAGEGETENISANY !!!!
Io fa entim-po! Mbola aiza nefa no hanaovanay an'ialahy isany ry GTT a!
Vive Andry Rajoelina!
du calme toi Rabe, t'es l'un des rensponsble de la degradation de l'etat malagasy.C'est encore loin la transparence, la reconnaissance, l'election. Tsy tezitra aminao akory ny ol rabe fa enao miitsy no ambany fanehoan-kevitra. sur amzany ah
samy manana ny atao oe fahaiza-mitantana e! fiovana hono zany rehetra zany! tena miova tokoa alo e: miova miharatsy
Zao fotsiny né n lé bandy e! Aiza lé menaka douze mil sinq baina a! Aiza lé vary dio mil sinq e! Tsy iznay vé moa lé niogaogana teny am 13mai e!
Mampiomehy be l resaka TADIDIO FA ITY FIRENENA ITY TSY AZO ENTINA HERIM-BOAT... @izao fotsiny fa mba asiana HASINY NY TENY NATAO(na ny sonia natao) ary tadidio fa izaho tsy GTT akory fa mipetraka soamantsara eto DAGO mahita tsara ny zavamiseho eto
Olona toa tsy manana niveau bacc akory no mipetraka @ sezana filoha dia hisy hanantena inn???tsy zay miteny franstay akory dia Inn!!! betsaka ny tàry tsy havanana amin'yzany noho ny fanagasiana nisy teto kanefa kràky...ny mampihomehy dia mi-salut an'io ny be bokotra sy kintana eto amintsika ... dia misy koa ireo nahavita fianarana ambony !!! sa dia hanararaotra hameno paosy aloha fa zao no mibànaka ny entana hi!hi! mamangy @fahoriana ho an'zay nanohana an'io kanefa lasa nahantra dia tohizo foana ny hagaigena ho hita eto zay maty aloha amin'ny heviny... mila lazon'ady be mazotoa é!
Tena mba maivan-doha mihitsy anie Valomanana e! Aiza ve ka boay kely iny dia nahaongana azy!
Raha ny marina nefa dia izao e, ary ataovy ao amin'ny atidohanareo GTT zany: BANDY MAHERY I ANDRY RAJOELINA, FILOHA MAMIM-BAHOAKA!
Tsy maivandoha araka ny eritreritrao mintsy izy Denise Rabe fa ianao sy ry Andry no maivandoha tsy misaina satria tsy mijery ny tombotsoam-bahoaka akory fa maika haka fanjakana hangalarana nefa tsy misy fahaizana na kely aza fa izy kosa niala ampahendrena nohon'ny tombotsoa avon'ny firenena fa tsy olona mpidongy toerana toa anareo.
