lun.

02

août

2010

Fiarahan’ny mpivady: Sosoa maraina matsiro

Ny faran’ny herinandro tahaka izao matetika no fotoana fakana aina ho an’ny ankamaroan’ny olona. Azo atao tsara ny manararaotra matory maraindraina ao am-pandriana, indrindra fa ririnina ny andro. Ireto misy endrika efatra amin’iny mifoha maraina iny natokana handraman’ny mpivady, sakafo maraina miala amin’ny mahazatra. Anontanio an-dramose izay nofinofy tena mba mety hahasambatra azy mikasika ny firaisana ara-nofo. Izay ilay hoe “fantasme”. Samy manana izay fihininy any anatiny any mantsy ny tsirairay, indrindra fa ny lehilahy ary tena maro karazana tokoa izy ireny.....

Tolory taratasy sy penina mihitsy izy handrafetany antsary azy. Miaraka manatontosa azy ianareo roa rehefa avy eo. Ankafizin’ny lehilahy ihany koa izany hanaterana sakafo maraina eo am-pandriana izany amin’ny ankapobeny. Itondray izay karazana sakafo tena tiany izy, toy ny atody atao “oeuf sur plat”, sôkôla na kafe, ranom-boankazo … saingy ny mampiavaka azy dia asaivo hohaniny eo ambonin’ny vatanao mitanjaka ireo rehetra ireo. Mety ho hafa indray ny fipetrany sy ny zavatra aterany. Miharatra Zavatra azon’ny mpivady iarahana tsara ihany koa ny miaraka manala volo eo amin’ny faritry ny taovampananahana. Ny lehilahy no asaina manomboka azy, izany hoe manala ny volo eo amin’ny fivavian’ny vadiny. Mifamadika indray avy eo. Samy afaka mifampibaiko araka izay itiavany azy izy roa amin’izany. Tsy maintsy hiafara amin’ny fiarahana manokana, miala amin’ny mahazatra ihany izany avy eo. Manolana Ity farany ity indray dia azo lazaina ho fanolanana mihaja sy ifanarahana. Amin’iny izy mbola matory maraina iny indrindra dia alaivo moramora ny tanany, afatory. Tampeno lamba ihany koa ny masony. Ianao amin’izay no tompon’ny lalao rehefa avy eo. Tokony ho fantatrao tsara kosa ny zavatra tena ankafiziny sy mahafinaritra azy amin’ny resaka firaisana ara-nofo ary dia ireny ampiharina. Betsaka ny sehatra azon’ny mpivady trandrahana entina manolokolo ny fiainany ara-pananahana. Rehefa ampy ny fifampiresahana sy ny fifanajana dia mora ny mifampizara.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra