lun.

02

août

2010

Ady amin’ny kolikoly: Tsy mitovy ny tadin-dokanga

Antony iray lehibe mety hampiongana ny mpitondra fanjakana amina firenena iray ny kolikoly. Fomba iray azo itampikirana amin’ny seza kosa anefa ny fandrangarangana ny ady atao aminy ary dia tokony hatao fa tsy hoe hitazonana seza fotsiny. Anisan’ny nivoitra ireo nandritra ny valan-dresaka fampahafantarana nataon’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly na ny Bianco tamin’ny mpanao gazety, notontosaina ny alakamisy lasa teo teny amin’ny foiben-toerany eny Ambohibao.......

Zava-bita

Nisy ny famoahana ireo zava-bita tanatin’ny taona 2009, ankoatra ireo tomban’ezaka heverina hatao amin’ny ho avy. Raha ny tamin’ny taona 2009 fotsiny dia mahatratra 1701 ny fitarainana voarain’ny Bianco. Ny 233 amin’ireo no tranga-na kolikoly. Tamin’ireo antontan-taratasy nanaovana fanadihadiana miisa 223 dia voakarakara ny 299 ary nalefa teny amin’ny fitsarana ny 110. Miisa 117 ny olona nosamborina ka ny 17 amin’ireo no notazonina vonjy maika ary nahazo fahafahana vonjy maika ny 97. Maro ihany koa ireo sehatrasa noraisina an-tanana teo amin’ny fisorohana sy ny fanentanana, raha tsy hilaza afa-tsy ny asa nidinana ifotony teny anivon’ny faritra. Mampiahiahy Tsy mitovy ny tadin-dokanga eo amin’ny raharaha ady amin’ny kolikoly eto amintsika.

Mampiahiahy

be ihany ny zavamisy. Toe-javatra iray niseho vao tamin’iny herinandro lasa iny no navoitran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Faly Rabetrano. Karana tompona tranom-barotra lehibe iray eto an-drenivohitra no tratra nanao kolikoly, vokatry ny hosoka amin’ireo entana amidiny, ny zoma 24 jolay teo. Mpiasa avy ao amin’ny ministeran’ny varotra no nandray tsolotra tamin’izany. Avy hatrany dia notazonina vonjy maika ireo tompon’antoka, noraofina ihany koa ny entana. Rehefa natolotra ny “chaîne pénale anti-corruption” anefa ny raharaha dia navotsotra izy ireo, noho ny nahazoany fahafahana vonjy maika.

An’ny rehetra

Andraikitry ny rehetra ny ady amin’ny kolikoly fa tsy an’ny Bianco samirery. Mila mandray ny andraikiny avy araka ny tokony ho ireo voakasik’izany isan-tsokajiny. Mila mampiditra tanteraka izany ady amin’ny kolikoly izany ao anatin’ny politika fitantanany ny mpitondra fanjakana ary mampiseho ohatra tsara fakantahaky ny vahoaka. Mila mampihatra araka ny tokony ho izy ny lalàna ihany koa ny fitsarana, indrindra fa ny sampandraharaha manokana natao ho amin’izany. Mila mahasahy mijoro ny fiarahamonim-pirenena rehefa misy ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Mila mametraka ny mangarahara sy mampahafantatra ny zava-misy marina ilain’ny vahoaka ny filazam-baovao. Mila manova toe-tsaina, tsy handefitra amin’ny kolikoly ary handa azy hatramin’ny farany ny vahoaka. Raha ireo no tomombana sy voahaja dia tena “isika miaraka no mandresy ny kolikoly” tokoa. Hatreto aloha dia mitoetra ho nofinofy ihany izany. Harimbola M.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    jacta (mardi, 03 août 2010 10:27)

    Ny BIANCO efa mazava ny paikany "NY MAJINIKA" ihany no faiziny sy GADRAINY ataony mahamay ; koa inona no handresena ny KOLIKOLY eo . NY PAOSINY no fenoiny.

  • #2

    rajery (mardi, 03 août 2010 17:26)

    Ka ilay BIANCO voalaza fa hiady amin'ny kolikoly no efa voakolikoly koa inona no ady atao amin'izany intsony?Ny majinika sisa enjehiny fa ny vaventy efa nanome kolikoly azy dia jere-potsiny ny fandrobana Firenena ataony.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra